Ireo zavatra 3 tsy tiako indrindra amin'ny asako

Ireo zavatra 3 tsy tiako indrindra amin'ny asako

Tiako loatra ny asako ary tsy haiko izay fomba hisaorako an'Andriamanitra noho ny nanomezany ahy izany. Toy ny zavatra rehetra anefa dia misy foana ny zavatra kely izay mety tsy ho sarotra saingy tena tsy tiako sy mandreraka ahy ny manao azy. Ireto ary izy ireo :) 

1. Mandrangitra pensily hazo

Rehefa tonga ao amiko ny mpianatra dia tsy maintsy vononiko mialoha ny fitaovana rehetra hampiasainy. Na ny ankizy kely na ny lehibe dia mila pensily hazo vonona mialoha ny hanombohan'ny kilasy. Tsy fantatro hoe dia nahoana loatra fa io no tsy tiako indrindra amin'ny asako. Fahiny aho raha nandrangitra pensily hazo dia anankiray na roa ihany dia vita fa ankehitriny dia pensily hazo manodidina ny 30 no rangitiko. Manginy fotsiny ireo pensily hazo miloko efa an-jatony izay tsy maintsy rangitiko. Mbola manampy trotraka koa ny haratsin'ilay fandrangitana ampiasaiko ka tsy maintsy mindrana amin'olona aho raha te hahavita haingana. Tiako ery izany fony mbola nandeha tsara ilay fandrangitana mandeha vatoaratra ka atsofoka fotsiny dia vita saingy tsy maranitra intsony ilay izy izao. Tsy andriko izay hahatongavan'ny volana aogositra hahazoana fandrangitana tsaratsara kokoa! Fa eo aza izany rehetra izany dia tsy tiako fotsiny izao ny mandrangitra pensily hazo. Toa ela be izany ilay izy nefa ny saiko efa mandeha lavitra be amin'izay zavatra tokony hataoko rehetra. Izany no asa tokony ho mora indrindra saingy izany indray no farany tsy tiako!

2. Mandefa mailaka amin'ny ray aman-dreny momba ny zavatra tsy mety ataon'ny zanany

Amin'ny maha reny ahy dia tiako raha mba tatitra tsara no voaraiko momba an-janako avy any am-pianarany. Tsy te ho eo amin'ny toeran'ny ray aman-dreny aho rehefa misy zavatra tsy mety ataon-janany (tsy mamita ny asany, nanao fihetsika tsy mendrika sns) ka tsy tiako hoe avy amiko no ipoiran'ilay fahasorenana. Indrisy anefa fa anisan'ny asako izany ka na dia miezaka aza aho mba tsy hanao izany dia matetika ny lehibeko no maniraka ahy mba hampita amin'ny ray aman-dreny ny zava-misy. Ao anatin'ireny fotoana ireny no tena tsy maintsy itadiavako izay teny tsotra sy tsy mandratra indrindra mba hanalefahana ny fahasorenan'ny ray aman-dreny saingy amin'ny maha zanany ny olona resahana dia tsy maintsy malahelo na sorena izy. 

3. "Parent-teacher conference"

Ny "parent-teacher conference" dia mitovitovy amin'ny porte ouverte ihany saingy tsy natao hizarana ny naotin'ny mpianatra fa natao hiresahan'ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra eo anatrehan'ny mpianatra ny momba ny fianaran'ny ankizy iray. Tsy vitan'ny hoe tena mandreraka izy io amiko fa tena tsy mampahazo aina indrindra rehefa mihaona amin'ny ankizy tsy dia miezaka sy maditra. Amin'io manko no iresahana ny tanjon'ny mpianatra, ny zavatra efa vitany hanatrarana an'io ary ny ezaka mbola mila ataony. Amin'io koa izy no manao jery todika amin'ny fianarany ka raha ankizy tsy dia mianatra mafy dia tsy hanan-kolazaina. Amin'io no manampy izay azony ampiana ny mpampianatra ary eo ilay fotoana somary mandreraka rehefa milaza ny toetran'ny zaza tsy dia mazoto na maditra. Tsy vitsy ihany koa ny ray aman-dreny manome tsiny mpampianatra ka tsy voatery ho tsara foana ny votoatin'ny resaka mandritra io kaonferansa io!

Tsy midika anefa ireo fa tsy tiako ny asako satria raha telo ireo voalazako ireo dia an'arivony ireo zavatra ankasitrahako an'Andriamanitra ao anatin'izany isanandro. Tiako ny mampianatra ary tsy hisy asa ho tiako mihoatra an'izany angamba. 

Commentaires

  1. Izaho aho vao afaka mijery ny blog-ndry na dia efa ela aza no fantatro ny fisiany. Mahereza fa asa fototry ny asa rehetra ny ny fampianarana e!

    RépondreSupprimer

Enregistrer un commentaire

Posts les plus consultés de ce blog

Honoring the Departed: Betsileo Funeral Practices and the Heart of Fihavanana

Didy Folon'ny Fampihenana Vatana