Ireo zavatra 3 tsy tiako indrindra amin'ny asako
Ireo zavatra 3 tsy tiako indrindra amin'ny asako Tiako loatra ny asako ary tsy haiko izay fomba hisaorako an'Andriamanitra noho ny nanomezany ahy izany. Toy ny zavatra rehetra anefa dia misy foana ny zavatra kely izay mety tsy ho sarotra saingy tena tsy tiako sy mandreraka ahy ny manao azy. Ireto ary izy ireo :) 1. Mandrangitra pensily hazo Rehefa tonga ao amiko ny mpianatra dia tsy maintsy vononiko mialoha ny fitaovana rehetra hampiasainy. Na ny ankizy kely na ny lehibe dia mila pensily hazo vonona mialoha ny hanombohan'ny kilasy. Tsy fantatro hoe dia nahoana loatra fa io no tsy tiako indrindra amin'ny asako. Fahiny aho raha nandrangitra pensily hazo dia anankiray na roa ihany dia vita fa ankehitriny dia pensily hazo manodidina ny 30 no rangitiko. Manginy fotsiny ireo pensily hazo miloko efa an-jatony izay tsy maintsy rangitiko. Mbola manampy trotraka koa ny haratsin'ilay fandrangitana ampiasaiko ka tsy maintsy mindrana amin'olona aho raha te hahavi...