Te hihena ianao? Ny tokony hatao sy tsy hatao!
Ireo tokony hatao sy tsy tokony hatao raha te hihena Taorian'ny nampihena ahy 14 kilao dia nisy ireto zavatra ireto fantatro fa mety na tsia amin'ny olona manena vatana. Koa satria tsy mitovy ny toe-batan'ny olona ka mety tsy hety amin'ny olona iray ny mety amin'ny hafa, dia tsy tamiko irery ireto fomba ireto no nahomby fa efa maro no nanao azy ireo izay vao nozaraiko teto. 1. Ahenao ny sakafo Fantaro izay sakafo tena ilainao dia izay ihany no hano. Raha nihinana vary iray vilia sy laoka betsaka ianao taloha dia ovay vary sy laoka kely izany amin'izao. Mba tsy hahareraka loatra anao dia azonao atao tsara ny manolo ireo sakafo haninao ho sakafo ara-pahasalamana kokoa ka sady mihasalama ianao no mihena ihany koa satria mihena ny kaloria miditra ao aminao. Raha olon-dehibe tsy manao fanatanjahan-tena no tsy te hihena na tsy hitombo dia eo amin'ny 1. 800. 000 kaloria eo ho eo no ilaina. Raha te hihena, araka izany, ianao dia tokony ho latsak'izany ...