Tiako izy satria.... Tiako izy na dia...


Tiako izy satria …… Tiako izy na dia…

Nomena fo isika, fo mahay mitia na koa hoe sasatry ny mitia. Ny zava-marina aloha dia afaka mitia ny fo fa ny fomba fanehoana izany no samihafa. Tsy ampoizina fa eny amin’ny fiainantsika eny dia mifanena amin’olona isika ka raiki-pitia. Fitia tsy amboarina ary fitia tsy volena fa fitia asesiky ny fo nomena hahay mitia. Dia lasa ny nofinofy rehetra; tsy te hisara-mandramaty ary mifanaiky ny hiara-mamaky ny fiainana. Tsy vita eo anefa ny lalana. Tsy vitan’ny androany sy ny ampitso ny fitia fa rehefa nekena ho doria dia tsy maintsy hokoloina. Eo amin’izay ny olana hoe hatao ahoana ary. Tsy vitsy ireo tanora no miahotra ny hiroso amin’ny fitiavana noho ny tahotra ny tsy hahay izany; tsy tambo koa ny entanin’ny fitia midorehitra kanefa miafara eny amin’ny fitsarana ilay fifanekena hitambatra ho doria. Fa nahoana re e? Satria ilaina ny mahay mitia; ny fitempon’ny fo no voajanahary fa ny fikoloana izany ho mandrakizay kosa dia anjaran’ny tsirairay.
Matetika isika rehefa mitia dia sasatry ny mitady antony hitiavana ilay olona tiantsika. Ataontsika ireny mba handresena lahatra ny tenantsika hitia na koa ny manodidina antsika mba hino fa tena tsara safidy isika raha nitia  io olona io. Tiako izy satria mahay; tiako izy satria teratany vahiny; tiako izy satria manana asa tsara ka antenaiko fa hanana ny ampy izahay rahatrizay; tiako izy satria mitovy fiaviana amiko sns. Fa mba efa nitady izay toetra ratsy rehetra izay mety tsy hitiavan’ny olona azy ve ianao? Fantatrao ve fa io olona io dia mety ho mpisotro rehefa tsy eo ianao, mety tsy hanome ilay vola nandrandrainao akory izy, mety ho very rahampitso io asany antenainao io, mety tsy ho tia anao io fianakaviany heverinao fa miray fiaviana aminao io. Efa mba noheverinao ve izany? Raha eny , tsara!
Ny fitiavana dia tsy tokony hiankina amin’ilay “satria…” nonofisinao fotsiny fa tokony ho amin’ilay olona am-bongadiny miaraka amin’ny toetra tsara sy ratsiny. Tsy mora ny mitia ary sehatra iray ahatsapana ny fahasarotan'ny fifandraisana amin'ny hafa izany saingy ao ihany koa no ahatsapana fa tsy zavatra nataon'olombelona izany noho ilay hery manosika ny olona ny iray handroso na dia misy fahasarotana aza. Mbola horesahiko bebe kokoa amin'ny lahatsoratra manaraka ny momba izany atao hoe "vady sahaza" fa eto aho dia te hanatsidika fa ny fitiavana dia natao hitondra hasambarana ka na eo aza ilay hoe sarotra ny mitia, rehefa ilay "sahaza" anao no nifanena taminao dia tsy hisy tsy ho vitanao amin'ny fiatrehana ireo fiaikana maro isankarazany. Ireo lafy tsaran'ny olon-tiana no natao hanamafisana ilay fanekena ny hitia azy mandrakizay ka ny famerenana azy ireny ao an-tsaina no hery manentana hitia hatrany ary hampitombo ny fahafaham-po amin'ny fitiavana. Ny lafy ratsin'ilay olona kosa dia tsy natao hanilihana azy sanatria fa natao hanefena anao hahay hitia "na dia..." ka hanana fahalemem-panahy sy finiavana hanaja sy hitia na dia tsy tonga lafatra aza ny hafa. Tsy anjaranao anefa ny manova azy fa rehefa manova ny fomba andraisanao ilay fahalemen'ny hafa ianao dia hiova ho azy ny zava-misy: mety tsy hiova ilay olona saingy ianao kosa dia tsy ho tohina loatra amin'ny fahalemeny. Somary sarotra ilay izy: hevero hoe olona zatra nokarakaina foana no notiavinao ary tsy mahay na dia mampangotraka rano io olona io. Ianao anefa tena nanampo hahita olona mahakarakara ny zavatra rehetra. Indrisy fa tena tsy ao aminy izany; raha ny farany mora no tsy hainy, ahoana moa no hanantenanao izany olona izany hampirina trano sy hikarakara anao? Tsy midika anefa fa tsy olona iny olona hitanao iny. Manana ny maha-izy azy izy saingy tsy anisany ilay nandrasanao. Rehefa iny ilay sahaza anao dia hahita antony an'anarivony ianao hitiavanao azy ary ho an'isany ilay hoe "na dia tsy mahay mikarakara tokantrano mihitsy aza izy". Io teny hoe "na dia..." io no entinao milaza ny toetra ratsiny izay ho voalefitrao mora fotsiny noho ilay hery manosika anao hitia hatrany dia tsy inona izany fa ilay fitiavana marina, fitiavana izany nomena anao fa tsy novolena na namboarina. Dia izany ilay tena fitia: "tsy hoe tiako izy satria... fa tiako izy na dia...". 
Sedera
17 Febroary 2020

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Honoring the Departed: Betsileo Funeral Practices and the Heart of Fihavanana

Didy Folon'ny Fampihenana Vatana

Ireo zavatra 3 tsy tiako indrindra amin'ny asako