Zavatra 5 nampahatsiahivina ahy tato ho ato
Fampahatsiahivana ho antsika Kristiana Betsaka ny boky novakiko tato ho ato. Tsy vitsy ihany koa ny horonan-tsary na horonam-peo nahenoako hevitra vitsivitsy izay efa fantatro hatrizay saingy hadinoko teny ho eny. Betsaka tamin'ireo boky na sary nandalo teo anatrehako no tsy misy resaka an'Andriamanitra saingy tao anatin'ireny dia nahatsapako ny fahalehibiazany manoloana ny zavatra izay heverin'ny olona ho ananany fahefana. Tsy azoko odian-tsy hita koa ny zava-mitranga rehetra nataon'ny Tompo teo amin'ny fiainako - tsara na ratsy - izay nentin'ny Fanahy nampahatsiaro ahy ny herin'Andriamanitra manoloana ny fianantsika olombelona. Indreto ary misy lesona vitsivitsy hozaraiko aminao - lesona izay hoezahiko hotsiahivina hatrany mba handehanako amin'ny lalana tokony halehako. 1. Tsy manana fahafahana mifehy ny ho avy isika Nampianarina ahy fony fahakely ny fahaizana mitsinjo ny vodiandro ho merika. Noho izany dia olona miezaka hatrany aho mba ...