Inona no toetra tokony hananan'ny vehivavy mba hahatsapan'ny vadiny ny lanjany ao an-tokantrano?
Ahoana no fomba hanajan'ny vadinao anao sy hahatsapany ny lanjanao ao an-tokantrano?
Olana sedrain'ny tokantrano maro ny tsy fisian'ny fanajana avy amin'ny an-daniny na an-kilany, olana izay tsy vao izao fa efa niainan'ny taranaka maro talohantsika. Noho ny tantara izay manaporofo ny fahambonian-toeran'ny lehilahy fahiny sy ny toerana nomena ny vehivavy fahagola anefa dia ny vehivavy no iharan'ny olana matetika, eny fa na ankehitriny aza. Ny tsy fanajana dia indraindray tsy tsapan'ilay mpanao azy akory ary, na fanahy iniany aza, dia heveriny fa zavatra mety sy tsara izany mba hahafahany mametraka fa ambony izy ary manana ny maha-izy azy ao amin'ny tokantranony.
Ity lahatsoratra ity dia natao ho an'ireo vehivavy na lehilahy mahatsiaro ho tsy omen-danja loatra ao an-tokantrano ka mikaroka izay fomba hahazoana ny fanajan'ny vady.
1. Manàna ny maha izy azy anao
Ataovy fantatr'io olona io fa tsy olonolom-poana ianao ary manana ny maha izy azy anao ka tsy vitan'izay hosoloina mora fotsiny. Asehoy ny maha izy azy anao: aza misalasala maneho fa manana toetra tsara izay mampiavaka anao amin'ny hafa ianao. Apetraho tsara ireo soatoavina izay lalainao toy ny fanajana ny hafa, ohatra, ny fahafahana, ny fitiavana, sns. Aza menatra maneho ny hevitrao amin'ny zavatra anankiray mba hanehoanao fa olona mahay ianao ary tsy manam-paharoa. Ataovy tsapany fa tsy hahita olona toa anao mihitsy izy na hisitrika any ambanin'ny tany aza.
2. Mahaiza mametraka fetra
Raha vao anatina fifandraisana amin'olona dia aza hadino ny mametra ny zavatra azony atao sy tsy azony atao anao. Apetraho mazava tsara, mivantana na an-kolaka, ny zavatra heverinao ho mety ry ara-drariny ao anatin'ny fifandraisanareo. Ampahantaro fa rehefa tsy tianao ny vady mody alina noho ny antony manokana dia tsy tianao izay ary tsy afaka mandefitra ianao. Azavao amin'ilay fa tsy tianao, ohatra, ny tabatabaina, ary aza manaiky rehefa mitranga izay. Torak'izany koa, mila manaiky ianao fa hanaja izay fetra apetrany koa. Aza tia tena fa rehefa mangataka amin'ny hafa dia mahafoiza koa.
3. Apetraho ho aloha foana ny tenanao
Raha tian'ny Tompo isika hitia ny hafa toy ny tenantsika, dia tadidio fa na ao antin'izay teny izay aza dia efa miseho fa isika aloha vao ny hafa. Apetraho mihitsy hoe tsy hopotehinao ny momba anao noho ny hafa. Misy fotoana ianao mandefitra saingy tadidio fa raha tsy manohitra izay tsy mety aminao ianao mba hamalifaliana ilay vadinao dia hataony fitaovana ianao. Tsy hoe holaninao ny volanao hividianao izay rehetra ilainy fa ianao kosa hitafy voron-kitsay sy handry fotsy. Tsy rariny izany ary hitarika ny vadinao hihevitra fa olona manaiky ho fitaovana sy tohatra fiakarana ianao. Tsy mety izany hoe laninao ny herinao manontolo mipasoka sy manasa ny lambany ary mikarakara ny sakafo tiany nefa ny anao dia akanjo miforiporitra sy laoka tsy tiana (satria hoe io no tiany!).
4. Hajao ny tenanao
Tsotra loatra izany. Raha tsy manaja ny tenanao ary ianao dia iza no hanaja anao? Na ny fitafy, na ny fiteny, na ny fomba fanaonao rehetra dia tokony ho feno fanajana ny tenanao. Raha olona miboridana eny an-dalana ianao, na mampiseho ny antsasaky ny tratranao eny imasom-bahoaka, tsy hoheverin'ny olona fa inona no asanao? Raha miteny ratsy ianao, inona no sary alefanao momba ny tenanao amin'izany? Io vatanao io dia mila asianao lanjany eo anatrehan'ny vadinao ka raha misy fihetsika fantatrao fa tsy maneho ny fanajana azy io dia ampahatsiahivo azy fa misy fetrany ny zavatra azony atao an'io vatanao io. Tsy tokony hisy izany vehivavy manaiky ny hokapohina izany na inona antony na inona antony.
5. Fadio ny miala tsiny amin'ny tsy misy dikany
Rehefa misy olana dia ny fialan-tsiny ary ny fibabohan'ny anankiray ho diso no matetika vahaolana haingana hampiravona ny disadisa. Tsy vitsy isika vehivavy no manao izany na dia tsy isika aza no diso mba hanehoana fa vonona hihavana. Azo atao izany, ary mariky ny fahalemem-panahy amiko, saingy raha miverimberina matetika dia lasa poizina tanteraka. Rehefa fantatrao fa nety tsara ny nataonao dia aza miala tsiny. Avelao ny diso hahatsapa ny fahadisoany. Raha olona tsara fanahy mantsy no anehoana toetra toy izany dia avy hatrany dia hahatsapa ny tenany ary hanazava fa izy no fototry ny olana. Fa raha olona efa tsy manisy lanja anao kosa dia tadidio fa seho iray maneho aminy ny fialanao tsiny fa ambany ianao ary izy kosa dia ambony, manana toerana avoavo kokoa noho ianao ary tsy mba mety diso mihitsy na inona na inona ataony. Anjaranao no mandiso izany fiheverany izany. Ampy izay ny fifonana lava!
6. Mahaiza mifehy fihetseham-po
Rehefa tia ny vehivavy dia tena tia, ka indraindray dia mifangaro ao ny fandeferana amin'ny rariny sy ny diso toerana. Tsy hoe rehefa tia dia hanompo sy hohosihosena, ary tsy hoe rehefa tia azy ianao dia vita hatreo ny fiainanao, ny fiadananao, ny fahafahanao, ary ho avinao. Tsia, rehefa tia dia manomboka eo ny fahasambarana ateraky ny ambony sy ny ambany izay iaraha-miatrika eo amin'ny fiainana. Rehefa misy tsy mety ao amin'ny tokantrano dia mivavaha. Aza laniana amin'ny olona tsy mendrika azy akory ny ranomasonao ary indrindra aza aseho eo amin'ny olona efa tsy mahay manaja anao fa osa (vulnérable) ianao eo anatrehany. Ny mifanohitra amin'izay no tokony hataonao dia ny maneho fa vehivavy/lehilahy matanjaka ianao ary mahavita lavitra mihoatra ny vitan'ny rehetra.
7. Avelao ny fampitandremana; mihetseha
Indray mandeha na indroa aorian'ny fandikan'ny olona iray ny fetra azony atao no tokony hampitandrina ianao. Aorian'izay dia tokony hihetsika ianao. Ampahafantaro azy fa maharary anao ny zavatra ataony. Raha ankizy madinika dia azonao sazina amin'ny sazy madinika efa nampahafantarinao azy mialoha, fa raha vady kosa dia mila fantarinao ny fomba hampitana aminy ny tsy fetezan'ny ataony. Raha tsy mba eo mihitsy izy, ohatra, amin'ny ilanao azy, dia avelao eo indray mandeha izy rehefa mila anao. Raha tsy asiany lanja ny fisianao sy izay ataonao, mijanona amin'ireo asa fanaonao dia ho hitany fa "hafa ihany rehefa eo ianao". Ianao, amin'ny maha vadiny anao, no mahalala izay mety hahatafita kokoa ny hafatra ka anjaranao ny mampihatra izany.
8. Mivavaha ho anareo
Tsy toetra ny mivavaka saingy fahazarana sy fiainana tokony hananan'ny olona iray ny mivavaka ho an'ny tokantranony: izy tenany sy ny vadiny. Tsy misy olona mahaova olona izany fa Andriamanitra irery ihany, amin'ny alalan'ny torohevitra omeny, no mahaova olona. Ilaina ny mamaky izay voalazan'ny Soratra Masina, ary indrindra ilaina ny mitaona ny vady hahalala kokoa an'Andriamanitra. Ny vady tena matahotra an'Andriamanitra, tsinona, dia tokony hanome lanja io vadiny io, tsy amin'ny maha zava-boarin'Andriamanitra itsy farany fotsiny fa amin'ny maha lova sarobidy avy amin'Andriamanitra azy koa. Tsy ny mivavaka ho azy ihany no adidinao fa ny mivavaka ho anao koa indrindra indrindra. Matetika manko isika dia mihevitra fa ilay vady ihany no tompon'Andraikitra amin'ny olana misy nefa indraindray koa raha manova ny toetrantsika kely fotsiny isika dia mety hirindra amin'ilay toetrany ka tsy hisy ny olana. Mila mivavaka isika mba hahay manavaka ny ratsy sy ny tsara, mba hahay mametraka ny vadintsika amin'ny toerany nefa koa tsy manambany tenantsika. Natao hifameno isika ka raha misy iray tsy feno dia hikorontana ho azy ny tokantrano. Mila mivavaka koa isika fa hahatsapan'io vady io ny maha-izy azy antsika ka hanomezany lanja antsika ao an-tokantrano. Tsy tokony rehefa maty tampoka ny anankiray ao an-trano vao ho tsapan'ilay iray tavela ny hasarobidiny, ka mila atao ny ezaka rehetra mba hampisy ny fifanajana dieny tsy mbola tara.



Commentaires
Enregistrer un commentaire