Zavatra 5 nampahatsiahivina ahy tato ho ato

Fampahatsiahivana ho antsika Kristiana 

Betsaka ny boky novakiko tato ho ato. Tsy vitsy ihany koa ny horonan-tsary na horonam-peo nahenoako hevitra vitsivitsy izay efa fantatro hatrizay saingy hadinoko teny ho eny. Betsaka tamin'ireo boky na sary nandalo teo anatrehako no tsy misy resaka an'Andriamanitra saingy tao anatin'ireny dia nahatsapako ny fahalehibiazany manoloana ny zavatra izay heverin'ny olona ho ananany fahefana. Tsy azoko odian-tsy hita koa ny zava-mitranga rehetra nataon'ny Tompo teo amin'ny fiainako - tsara na ratsy - izay nentin'ny Fanahy nampahatsiaro ahy ny herin'Andriamanitra manoloana ny fianantsika olombelona. Indreto ary misy lesona vitsivitsy hozaraiko aminao - lesona izay hoezahiko hotsiahivina hatrany mba handehanako amin'ny lalana tokony halehako. 

1. Tsy manana fahafahana mifehy ny ho avy isika

Nampianarina ahy fony fahakely ny fahaizana mitsinjo ny vodiandro ho merika. Noho izany dia olona miezaka hatrany aho mba tsy hotapohin'ny loza ka tsy mba fanaoko izany hoe tsy haminavina ny ratsy mety hitranga izany. Matetika aho no manana tahiry na manana vahaolana efa voaomana mialoha foana rehefa misy olana. Tsy mba olona matokitoky foana aho fa mailo lava, ary indrindra moa fa dia mihevitra ny ratsy foana. Raha sahirana mieritreritra ny mety ho vokatsoa na lafy tsaran'ny zavatra iray ny olona, izaho koa sahirana mandinika izay mety ho loza aterany. Dia izany hatrany aho hatrizay. Tsy voatery ho ratsy izany toetrako izay, raha ny finoako, ary ilaina mihitsy aza ny olona toy izany any amin'ny fitantanana sasantsasany mba hahafahana misoroka mialoha izay mety ho olana. Mino aho fa tsy vitsy ny olona te hifehy ny zava-misy toa ahy any ambony any, any amin'ireo manam-pahaizana "mitantana" izao tontolo izao. Saingy amin'ny valan'aretina toy izao - aretina izay tsy nisy nahalala na ny nipoirany na ny fanafany - no ahatsapana fa tena tsy misy dikany ny fiezahana hifehy ny ho avy. Raha nitranga tany Chine ny aretina covid-19 dia tsy nihevitra mihitsy aho fa indro izaho no lasa hampianatra amin'ny fifandraisan-davitra noho io. Tsy nihevitra akory aho hoe hitontongana toy izao ny toe-karen'izao tontolo izao, indrindra raha ny fahaizan'ireo mpahay varotra sy tsena maneran-tany. Raha izay fiezahan-draolombeolona tamin'ny fikarohana izay, dia tsy tody toy izao ny fiparitak'io aretina io. Raha mba nanana fahafahana sy fahaizana mifehy ny ho avy tokoa isika dia tsy ho toy izao ankehitriny. Ezaka fotsiny kay ireny fa rehefa ho avy ny mafy dia rava fotsiny ny herim-pontsika hatrizay.

2. Manana ny drafitra napetrany ho antsika Andriamanitra

Matetika aho no mieritreritra ny lasako sy ny fomba nataoko hahatoy izao ahy ary tsy mety mahita valiny mazava. Vao andro vitsy no nampahatsiahy ahy ny vadiko; nampahatsiahy ahy ny amin'ireo fiainanay fahazaza izay samy tao anatin'ny fahasahiranana sy tsy fahalalana ny ho avy. Teo dia tsaroako indray fa tsy misy mahazava izay fifandraisan'ny ezaka nataoko sy ny fivoaran'ny fiainako hatrizay ka hatrizao. Na ny fisafidianako ny fianarana izay nataoko izay tsy dia safidiko loatra nefa dia nitarika ahy ho amin'ny asa tiako, ny fahitako ny asako izay tsy dia niankina tanteraka tamin'ny ezaka nataoko, ny fifanenako tamin'ny vadiko izay "toa" kisendrasendra teny ihany, ny fihaonako tamin'ireo namana manohana ahy ankehitriny... ireo rehetra ireo dia manaporofo avokoa fa misy mandamina ny fiainako. Mino aho fa fony mbola tany am-bohoka aho no nanana "hevitra hiheverena" ahy ny Tompo. Ny fianako ankehitriny dia tsy mba nisy na dia tapany kely aza tao anatin'izay noheveriko akory fahizay saingy ny fahasambarana aterany no anekeko fa tena ity ilay "hevitra... mitondra fiadanana fa tsy loza". Tsy milaza aho hoe mora ny fiainako - ny mifanohitra amin'izay aza- saingy ireny singa tsirairay tao anatin'ilay drafitra nataony ireny dia nisy antony avokoa. 

3. Tsy mba diso fotoana Andriamanitra

Heverintsika matetika fa tara Andriamanitra rehefa tsy tonga amin'ny fotoana angatahantsika azy ny valim-bavaka. Toa an'i Marta isika matetika ka milaza hoe "Tompoko, raha teto [mantsy] Ianao, dia tsy maty ny anadahiko" (Jao. 11:21). Betsaka isika no nilaza na manontany tena hoe tena hadinon'Andriamanitra angamba fa tena mitady azy isika. Toa tsy mety mipoitra mihitsy ny valim-bavaka izay mba italahoantsika ka mila ho ketraka isika. Dia hoy isika rehefa leo miandry hoe: "na hamaly ahy aza Andriamanitra dia efa tara loatra ka tsy hahatratra izay efa nilako azy ny valim-bavaka". Tsia, tsy mba tara mihitsy Andriamanitra. Ny fotoanany no tsy voatery ho fotoanantsika ka sarotra amintsika ny hahatakatra izay ataony raha tsy manontany azy isanandro isika. Andriamanitra dia mitoetra eo amin'ny vanimpotoana iray izay misy ny hatramin'izay ka ho madrakizay. Io fotoana iainantsika io dia ampahany bitika amin'izay tazan'Andriamanitra eo ambany masony ka mazava ho azy fa hitany tsara. Isika no tsy mahalala ny afaka minitra vitsy eo ka mihevitra fa ho tara fa Izy dia efa mahalala fa izay fotoana anomezany valim-bavaka antsika no fotoana tena mety, tsy aloha ary tsy tara loatra. Manana ny zavatra ampianariny Izy amin'ireny fametrahana faniriana mafy eo am-piandrasana valim-bavaka ireny, toy ny faharetana sy ny fahatsapana fa tsy izay tiantsika no atao fa ny sitrapony. 

4. Miasa foana Andriamanitra

Mandritra ny fotoana izay iheverantsika fa matory Andriamanitra ka toa tsy hitantsika manodidina antsika ny fisiany dia miasa Izy. Mikaroka izay fomba hidirany amin'izay lafiny bitika indrindra amin'ny fiainantsika Andriamanitra. Tsy vitsy angamba isika no efa nandalo fahoriana ary nihevitra fa tena tsy misy izany Andriamanitra manampy izany saingy fotoana maromaro aty aoriana dia mahateny hoe "soa ihany fa nisy ireny" sy hoe "hay teo foana i Kristy tamin'ireny". Izaho manokana dia niaina tao anatina fahoriana tamin'ny fahatanorako. Fony mbola zaza aho no tena efa sahirana ny ray aman-dreniko. Ary na dia tamin'ny fotoanan'ny fahazazana sy ny fialan-tsakany aho dia tsy mba nilalao sy nanao ny fanaon'ny ankizy rehetra fa noho ny fahasahiranana dia miasa mafy, mamboly sy mandray angady. Tsy mba nahita fahasambarana izany aho ary tsy nanantena hahita andro mihiratra. Ankehitriny anefa dia resy lahatra aho fa raha tsy nofefen'ny fiainana tamin'ireny dia tsy toy izao ny heriko sy ny tanjako ary ny faharetako miatrika ny fiainana. Miasa foana Andriamanitra, tsy mba miala sasatra, saingy manome sedra ho antsika mba hitomboantsika kokoa.

5. Tsy mitahy mandry Andriamanitra

Natao ho antsika Kristiana manokana ity lesona anankiray ity. Matetika isika, rehefa nampahafantarina fa Andriamanitra dia mitahy, dia mihevitra fa haniry eo am-pandriantsika avokoa ny fahasoavana rehetra na dia tsy manao na inona na inona aza isika. Mailaka ery isika mivavaka hoe omeo an'izao sy izao na koa manome tsiny mihitsy hoe Andriamanitra no tsy nanome ahy an'izay sahaza ahy nefa isika tsy miezaka mihitsy. Aoka hazava anefa fa mila ny ezaka ataontsika ny Tompo. Tsy manome zavatra eo an-tanantsika ny Tompo matetika fa manome zavatra takatry ny tanantsika; izany hoe mila miezaka mandray isika vao mahazo. Andriamanitra no manome ny "opportunité"; Izy koa no manome ny saina matsilo hahatakarantsika izay tokony hatao amin'ny fotoana mety indrindra; avy Aminy ny fahasalamana sy ny hery rehetra ananantsika saingy anjarantsika ny miezaka mampiasa azy ireo. Avy aminy ireo satria na dia miezaka aza isika hahazo ireo voalaza teo aloha ireo dia indraindray tsy mety ihany. Na dia ara-pahasalamana toy ny inona ny fomba fiainanao dia marary ihany rehefa ho tonga ny aretina. Ireo ilay singa tsy ananantsika fahefana faratampony fa ny miezaka no ataontsika. Naveriko foana ilay hoe "miezaka" mba hanehoako ny hangezan'ny hery laniana sy ny sorona tsy maintsy atao rehefa te ho tafita. Ny zavatra tsara dia tsy azo mora fa ny zavatra tsy dia manan-danja no azo moramora foana. Ireny olona afa-panadinana ireny dia niezaka niari-tory sy nahafoy fahafinaretana maro. Ireny olona manana asa ambony ireny dia nandalo lalan-tsarotra ka tsy mba kivy fa nikiry hatrany. Ireny olona manan-karena ireny dia nandany andro maro niasa, indrindray lavitry ny fianakaviana, ary namela ireo mety ho karazam-pahafinaretana rehetra. Samy efa naheno kosa angamba hoe "rehefa hanao trano dia mihafy". Eny, tena tsy maintsy misy fihafiana foana ny fahombiazan'ny olona anankiray fa ny fomba fisehony sy ny fiantraikany no samihafa. Tsy hoe mangataka diplaoma amin'ny Tompo isika dia mijery fahitalavitra sy mijery tambazotran-tserasera mandritra ny andro amin'izay satria efa eo Ilay Mpamaly vavaka hahatonga antsika amin'ny tanjona irina sy hisondrotra amin'ny avo! Andriamanitra dia mitahy - ary tsy azon'ny fisasaranao toherina ny heriny. Ka na hiezaka toy ny inona ianao rehefa tsy iny no sitrapony dia tsy tanteraka. Saingy kosa raha hevitra efa nangatahina taminy dia homeny anao ny fahafahana rehetra manatanteraka ny nofinao ary dia ho anjaranao amin'izay ny manao ny ezaka rehetra hahatongavanao amin'ny tanjona irinao. Lazaiko amin'ny olona foana hoe "Andriamanitra no naha toy izao ahy" satria izy no nanome ahy olona hanampy, fahaizana, "opportunité" saingy tao anatin'ireny fahombiazako ireny dia nisy fahoriana niniana nosedraina -- ari-tory, asa mafy, tsy fanaovana vakansy, tsy fanaovana facebook, fihafiana ara-bola, fandavana ny fanasan'ny namana -- mba hahatafita ahy amin'ny ambonimbony kokoa.

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Honoring the Departed: Betsileo Funeral Practices and the Heart of Fihavanana

Didy Folon'ny Fampihenana Vatana

Ireo zavatra 3 tsy tiako indrindra amin'ny asako