Ho an'i Sedera 15 taona...
Anio 28 Febroary 2007
Ho ahy manokana,
Mino aho fa salama tsara sy feno ny herin'ny fahatanorana ianao raha maharay ny hafatro!
Salama tsara koa aho ary faly fa tody amin'izao misy ahy izao na dia teo aza ny ady natrehina sy mbola hatrehina atsy ho atsy. Niady irery aho fahiny fony aho teo amin'ny taonanao ary maniry indrindra aho raha maniry ny mba tsy ho toy izany ianao ankehitriny. Izany indrindra no antony anoratako ity taratasy iry ho anao mba hanoroako anao hevitra vitsivitsy izay inoako fa mety hanampy anao mamakivaky ny fialan-tsakana sy ny fahatanoranao.
Sedera, fantatro tsara ny zavatra iainanao rehetra. Lavitra ny olona iray tianao ianao io, olona ilainao isanandro ary olona anisan'ny tia anao sy mihaino anao. Izy ilay olona tsy mbola nikapoka na nitrerona anao izany ary izy koa no lehilahy notiavinao sy tia anao indrindra. Miasa lavitra any izy saingy tadidio fa ny fitiavany anareo (ao anatin'izany ianao) no antony ijanonany any. Mahereza dia mivavaha ho azy. Aza hadino fa tia anao koa izy ary milatsaka matetika ny ranomasony rehefa tonga any aminareo ny eritreriny. Fantatro fa mila ny rainao ianao amin'izao taonanao izao saingy mandalo sedra foana ny fiainana ka iaino amin-kerim-po ny anao. Mbola hifarana izany zandriko!
Zazavavy mahay ianao ary trandraho izany fa izany no hahalasa lavitra anao. Miezaha dia mikiriza hatrany ary aza mety ho resin'ny hafa izany. Mila anao voalohany foana aho any am-pianarana satria izany no hanomezan'ny hafa fanajana anao. Ary tadidio fa hahavita fianarana ambony lavitra noho ny eritreretinao ianao. Mety tsy ho mora ny fianaranao eny amin'ny anjerimanontolo saingy raha vitanao ny teo aloha rehetra, nahoana no tsy ho vitanao ny manomboka eo?
Tohizo ilay toetranao tsy miraharaha ny ety ivelany satria ao anaty ny fahatsarana fa tsy izay fitafy sy firavaka akory. Ianao no olona hendry indrindra nifanena tamiko tamin'ity fiainana ity ary aza misy anenenana ny vitanao na dia kely akory aza. Aza kivy koa na dia tsy mba nandalo fahazazana toy ny ankizy rehetra ianao satria mbola ho avy ny andro hanoneranao izany. Mbola hilalao sy handalo fotoana mahafinaritra miaraka amin'ny vady aman-janakao ianao indray andro any.
Tohizo ny fifandraisanao amin'Andriamanitra. Na dia tsy hitanao mivantana aza ny vokatr'izany amin'izao dia tiako ho fantatrao fa Izy Andriamanitra no maniraka anjely hiaro anao amin'ny faharatsian'izao tontolo izao ka mahatonga anao ho mbola ianao io.
Ny namana! Tsara ery ny manana azy ireny ary noho ianao tsy manana zoky mba hifampizarana izay mavesatra dia ilainao izy ireny. Tadidio anefa fa tsy izy rehetra no tena namana ary tena vitsy (iray na roa raha be indrindra) no mikendry izay hahasoa anao. Ny ankamaroan'ny namanao dia miandry zavatra avy aminao avokoa ary tsy mikasa ny hizara akory. Mahaiza mizara ary asehoy fa olona be fitiavana ianao saingy aza hadino koa ny tenanao. Mahaiza manao hoe "tsia"! Dia izao koa, na mahafinaritra tahaka ny inona aza ny miaraka amin'izy ireny dia tsy voatery ho tsara avokoa no intondrany anao. Olon-kendry ianao ka sahia mamaritra ny lalanao manokana na dia handehananao irery aza izany. Tody foana ianao satria Kristy tsy mandao izany!
Ho avy ny fotoana hanirian'ny fitiavanao indray andro any, na efa naniry koa izany tsy fantatro. Ny fitiavana no isan'ny olana lehibe indrindra lalovan'ny tanora noho ny nofinofy ho any amin'ny tonga lafatra ampanantenainy anao mba haharoboka anao. Tadidio anefa fa tsy kilalao izany ka raha tsy vonona ny hiatrika ny onjany dia aleo mandositra azy aloha. Tadidio fa lova avy amin'ny Tompo ny vady hendry, ka raha izany no irinao indray andro any dia aza misahirana fa efa any izy. Ny anjaranao dia mivavaka ho azy mba ho hendry tokoa izy ka tsy ho lavo. Mangataha amin'ny Tompo dia homeny ianao! Hahita olona tsy ampoizinao ianao rehefa tonga izay fotoana izay ary hotsaroanao izao teniko izao saingy mialoha an'izany dia mila maharitra ianao; fadio ny andrakandrana sao ianao indray no ho antony tsy hahatonga izay efa nomanin'ny Tompo ho anao.
Hofaranako ny teniko sao dia lava loatra. Tiako loatra ianao! Ny fahatsoranao sy ny fahadiovam-ponao no tena tsy ahafoizako anao. Tsy ho mora ny lalanao ry zandry malalako saingy tokana ihany ny fiadiana: vavaka. Tsy hanary anao izany ny Tompo. Izy no hampitraka anao isaky ny tady ho ketraka ianao. Ary mahereza, mitrakà, dia mirosoa. Aza matahotra ny hanonofy izany. Mametraha tanjona dia miezaha hanatratra an'iny. Matoky anao aho satria fantatro fa zazavavy matanjaka ianao na ara-batana na ara-tsaina. Aoka izay io ranomaso isanandro io fa hiteraka aretim-po ho anao io any aoriana any ka tsy tsara izany. Tsy andriko ny hahitana anao mitsiky sy mifaly foana rahatrizay! Ho tsara tarehy ianao amin'izany satria tsy hanjombon-dava toy izao intsony ny fiainanao ary hanana olona maro tia anao ianao manodidina anao. Ho tia anao avokoa na ireo olona mampahory anao ankehitriny aza ary mbola hiampy ireo tsy hahafoy anao satria ho mamy hoditra loatra ianao.
Manoroka anao
Sedera 28 taona
Commentaires
Enregistrer un commentaire