Aza manao ratsy mpanompon'Andriamanitra
Aza manao ratsy manompon'Andriamanitra!
Tsy vitsy eo amin'ny fiaraha-monina misy antsika no misy trangana setrasetra na fanararaotana mihatra amin'ny tsy manan-tsiny. Amin'ny firenena anjakan'ny tsy fahamarinana toa ny antsika anefa dia matetika ireny mpanao ratsy ireny no tsy maty manota noho ny herin'ny vola sy ny fananan'izy ireo hery na olona miaro azy. Tsy tranga iray na roa anefa no nahitako zavatra toy izao: raha vao mpanompon'Andriamanitra, izay tsy voatery ho mpitandrina fa na olona manana fifandraisana matotra amin'Andriamanitra fotsiny aza, no iharan'ny tsy rariny dia tsy afa-bela ireo mpanao ratsy.
Fianakaviana tso-piainana no nisy ahy ary tsy mba nanana zavatra maro ankoatry ny tany maromaro sy ny trano nonenanay ny ray aman-dreniko. Vao tsy ela akory vao mba afaka nanisy manda ny trano fonenany izy ireo fa talohan'izay dia fefy bararata na taindelontsinoa (anaran-kazo misy tsilo fanao fefy any aminay) no namefy ny trano nonenanay fahiny. Na ilay manda ao ankehitriny dia mbola iva dia iva ka tsy antenaina hiaro amin'ny mpangalatra rehefa hanao ny asa ratsiny iretsy farany. Miompy akoho amam-borona ny ray am-dreniko ary indray andro, taona maromaro lasa izay, dia nisy nangalatra tao amin'ny fitoerany ny akoho sy ny gana vitsivitsy. Loza be izany taminay satria raha nihafy tsy nihinana tamin'ireny izahay dia ny mba fitsinjovana ny fety sy ny vahiny ho tonga tsy ampoizina. Tsy ela anefa andro vitsy taorian'izay dia tratra nangalatra tany an-tanan'olon-kafa ireo mpangalatra ka voatazona tany amin'ny mpitandro ny filaminana ary dia indro ireo fanananay hita soa aman-tsara. Mpiandry ny raiko ary izy angamba no olona voalohany nahitako izany hoe fifandraisana mafy orina tamin'Andriamanitra izany. Olona malemy fanahy izy ka na misy mandratra azy mafy dia mafy aza dia tsy hadinony ny milaza hoe "Havelan'Andriamanitra anie ny fahotanao" na hoe "Mamelà ny helony fa tsy fantany izay ataony." Tsy mbola nahita azy niady tamin'olona aho eny fa na dia ireo olona fantany fa tsy manao afa-tsy ny manisy ratsy azy aza. Tsongoim-bolo izy na eo amin'ny fianakaviana, na eo amin'ny fiaraha-monina, indrindra any am-piangonana. Tsy mba izy mihitsy no hitarain-tana-miempaka amin'ny asan'Andriamanitra izany. Fa ity tranga iray ity no tena nahalasa saina ahy tato ho ato.
Tamin'ny volana Janoary teo, teo amin'ny fisasahan'ny volana teo, raha iny namoha trano maraina iny ny ankizy tao amin-dry zareo dia nahatsikaritra tranga hafahafa: nisokatra ny iray amin'ireo trano tany ambany ary nivoha toraka izany koa ny tranon'akoho. Teo am-pisavana no nahitana fa tsy tao intsony ny vorontsiloza, ny akoho sasany, ny vary 3 gony, ary ny bisikileta iray. Nifampilaza ny iray trano ary samy gina tsy nahita holazaina. Tsy tany Ihosy aho fa antso an-tariby no nilazan'ny raiko fa nisy namaky ny trano ary betsaka ny zavatra very. Efa ela aho no tsy nahare ny feon'ny raiko feno alahelo toy izany. Tsapako tamin'ny feony sy ny lantom-peony fa tena kivy izy, nitady ho ketraka ary tsy nisy azony natao afa-tsy ny nitaraina tamin'Andriamanitra. "Ny fahasahiranana, hoy izy, efa be nefa dia mbola alain'ny olona ihany ny kely ananana. Andriamanitra mahita fa dia aleo izy no hamerina izay very. Tsy maintsy ho tratra izay olona izay." Henoko feno fanantenana izy na dia ketraky ny fahoriana aza. Natao ny fanarahan-dia rehetra fa tsy nahitam-bokany. Nisy mpangalatra tratra ka nojerena nefa tsy hita tany ireo entana. Fantatro fa nataony tao anatin'ny tonom-bavaka isaky ny hariva ny momba ilay mpangalatra ka na dia tsy nanana fotoana hitadiavana ny mpanao ratsy aza izy dia nanana ny Tompo hanao izany. Vao tamin'ny herinandro lasa teo no nisy mpangalatra tratra indray tao Ihosy ary rehefa nojerena tany amin'ny biraon'ny mpitandro filaminana dia indro fa hita tany tokoa ilay bisikileta very. Porofo izany fa ireo olona namaky trano tany amin-dry Dada no tratra tany ary efa nahazo ny sazy sahaza azy izy izay. Efa very fanantenana aho saingy tena tonga saina aho fa tena mahery ny fivavaky ny marina ary tsy fanao ny mampalahelo mpanompon'Andriamanitra. Ireny olona ireny dia arovan'Andriamanitra manokana ary ny ranomason'izy ireny dia tena misy vidiny.
Manginy fotsiny ireo mpiara-mivavaka tamiko fahiny izay tsy nijanona mihitsy raha tsy niala an-dranomaso ny mpitandrina noho ny fampahoriana nataon'izy ireo fa tsy nahita fiainana milamina taty aoriana. Tsy vitsy koa ireo lohandohan'ny mpisorona ao am-piangonana na filohan'ny sampana, na olon-tsotra koa aza, manaratsy sy mampahory mpitandrina noho tsy fahazakan'izy ireo ny anatry ny mpanompon'Andriamanitra saingy tsy miafara amin'ny zavatra tsara mihitsy ireny. Olombelona toa ny olona rehetra ny mpanompon'Andriamanitra ka manana ny fahalemeny. Tsy anjarantsika anefa ny mitsara na koa mampitondra fahoriana azy ireny fa ny manitsy kosa raha misy azo atao. Manana mpijery izy ireny, ary tsy mba mamaly ratsy izy fa Ilay Mpiaro azy no miady ho azy rehefa tonga ny fotoany. Koa raha te ho tafita ianao, dia aza manao ratsy ny olo-marina. Hafatr'i Dadanay foana hoe: "tsy mba mahavanona ny miady amin'ny mpanompon'Andriamanitra" ary efa nahita porofo am-polony maro manamafy izany aho.
Sedera Ramadinirina
17 Febroary 2020
Commentaires
Enregistrer un commentaire