Zavatra kely iny ve?

Zavatra kely iny ve?

Nahafinaritra be ny androko androany. Dia hoy ianao hoe nanao zavatra tsara be ve aho sa nihaona tamin'olona malaza sa nahazo vola? Tsia, tsy nisy na dia iray amin'ireo aza nitranga tamiko. Niasa aho ary niasa mafy; tsy nisy fotoana nakaina aina mihitsy ary mbola nisy asa tsy vitako aza. Eny, tena reraka aho saingy sahiko ny milaza fa tena andron'ny fahombiazako androany. Nahoana hoy ianao? Nianatra zavatra vaovao aho ary zavatra mety tena ho bitika amin'ny hafa fa ampy hahatsara ny androko. 
Tsy dia mahay mikitika zavatra momba ny solosaina loatra aho afa-tsy ireo "platform" sy tranonkala izay fampiasako amin'ny asako. Tsy maintsy nampiasa "logiciel" iray izay anefa aho satria nila nanamboatra horonan-tsary hampijereko ny mpianatro. Mahay an'io "imovie" io avokoa ny mpiara-miasa amiko rehetra ary na ny mpianatro aza dia mahay mikirakira izany avokoa manomboka eo amin'ny taona fahaefatra eo. Tena azo lazaina hoe zavatra bitika araka izany no nataoko saingy raha nahavita nandositra izany aho noho ny tsy fahaizako dia vonona ny hianatra izany aho tamin'ity indray mitoraka ity. Dia indro ary fa vitako ny nanambatra ireo sary vitsivitsy hitako ary nasiako feo sy lohateny izany ka nahavita horonan-tsary fanazavana fohy aho. Hafaliana re izany! Tsy tanako ny naneho ny hafaliako satria tena fahombiazana lehibe ho ahy iny. Nefa dia zavatra tena kely anie e! Nisaotra betsaka ilay olona nanampy ahy aho ary nolazaiko azy ny hafaliako nahavita ilay asa. 
Matetika isika dia tsy manome lanja ireny zavatra madinidinika mitranga eny amin'ny fiainantsika ireny. Aza hadino anefa fa ny erikerika no mahatondra-drano ka ireny zavatra kely androsoantsika ireny no mitondra fahombiazana eo amin'ny fiainantsika. 
Tsy an-kavitsiana isika no maindry fahafahana be vao hanao zavatra na ho antsika na ho an'ny hafa. Tadidio anefa fa na io "misaotra betsaka" sy "tsara be ny zavatra vitanao" lazainao ny hafa io anie ka mety hanova ny fiainany e! Ireny tsiky sy fihina ataonao ny manodidina anao ireny dia mety hanova tanteraka ny tontolo andron'izy ireo izay mety ho fiantomboka e! Tsy voatery hanana vola be ianao vao ho afaka hanolotra zavatra hahasambatra ny hafa fa na fankaherezana na fanampiana ara-potoana izay heverinao ho tsy misy dikany dia mety ho tsaroan'ny namanao mandrakizay. Hoy ianao hoe zavatra kely iny ve? Eny kely iny saingy betsaka lavitra noho tsy misy. 
Hilazako zavatra vitsivitsy ianao hanaporofoako fa misy dikany ny zavatra bitika izay tsinontsinoavin'ny olona. Nisy olom-pantatro izay namako amin'ny "facebook" nandefa hafatra miafina tamiko andro vitsy izay nilaza fa mety aminy ny asa soratro ka namporisika ahy izy mba hanohy. Tsy azony an-tsaina ny hafaliako naharay ilay hafatra ary tena nankahery ahy handroso hatrany izany. 
Nisy olom-pantatro iray hafa nandresy tamina fifaninana ary lasa nalaza be tamin'ny tambazotran-tserasera. Nandefa hafatra taminy aho niarahaba azy ary nilaza fa afaka mirehareha izahay iray sekoly taminy manana azy. Toa hitako ery ny hasambarany naharay ny hafatro. Hay ka nanana olana izy ary saika hilavo lefona tamin'ny adiny saingy noho ny fahafantarany fa misy olona te hahita azy mandroso dia nanohy ny diany izy. 
Tsy nahazo fanabezana momba ny fananahana loatra aho fony mbola kely. Nanao resaka fampihomehezana taminay i Frère Boniface izay mpampianatra fandalinam-pinoana anay tamin'ny taona fahafito. Tao anatin'io tantarany io dia nisy vehivavy iray nitomany rehefa nijery ny sary mariaziny satria tamin'io hono no nahavery ny fahadiovany. Nihomehy ny olona saingy izaho kosa naka ilay lesona hoe hay ka rehefa vita mariazy vao tokony hiala amin'ny vehivavy iray ny fahadiovany. Nanova ny fomba fijeriko izany ary nanampy ahy hitantana ny fiainako taty aoriana. Mino aho fa tsy misy mahadidy an'izany ny mpiara-mianatra tamiko saingy raha ny fiantraikan'izay fehezanteny iray izay tamin'ny fiainako dia tsy ho azo refesina mandrakizay. 
Raha narary ny reniko ny taona 2015 dia tsy maintsy nentina taty Antananarivo. Tena sarotra ny dia tamin'izany satria olona malemy no nentina fiara fitateram-bahoaka avy any Fianarantsoa. Izaho sy ny raiko ary ny vadin'ny rahalahin-draiko no nitondra azy niakatra taty. Rehefa tonga teny amin'ny fiantsonan'ny fiara eo amin'ny Fasankarana dia tonga teo ny zanaky ny anadahin'i Mama (Haja sy ny vadiny ary i Laza zokiny). Mino aho fa zavatra mety tsy ho tadidin'izy ireo akory izany na mety hoe nataony mba ho an'i Mama fotsiny fa tena nankahery ahy anefa. Tena tsapako hoe tsy ahy irery ny fahoriana fa niaraka tamiko izy rehetra. Fotoana vitsy taorian'izay dia nandeha nankeny amin'ny IMM Ampefiloha izahay hanao ny fitarafana ny lohany. Indro fa efa niandry anay teny i Aurélie sy Fabie izay namako sy mpiara-mianatra tamiko teny amin'ny ENS. Nivimbina zavatra azo hanina izy roa vavy mianaka satria fantatr'izy ireo hono fa mety tsy nanana fotoana nisakafoanana aho. Mody lavitra ny iray amin'izy ireo ary olona tena tsy manam-potoana ny iray saingy tamin'izany no nahatsapako fa hafa ny manana namana. Tsy hanao tsinontsinona ireo olona ireo mandrakizay aho satria fantatro fa miahy ahy izy ireo na dia efa any am-pitan-dranomasina lavitra aza ny iray. 
Ampahany ireo ary tena sombiny kely amin'ireo fihetsika izay heverina ho kely na bitika nefa nanova ny fiainako na ny fomba fijeriko. Mino aho fa ianao koa raha manomboka manao izay kely azonao atao hanohanana ny hafa dia mety hanova fiainan'olona iray isan'andro. Aza miandry fahafahana be koa vao hanomboka hiroso amin'ny fivoaran'ny tenanao fa ireny bitika ireny no mivaingana no lehibe ka hisy fiantraikany talaky eo amin'ny fiainanao. 

Sedera Ramadinirina 
03 Febroary 2020

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Honoring the Departed: Betsileo Funeral Practices and the Heart of Fihavanana

Didy Folon'ny Fampihenana Vatana

Ireo zavatra 3 tsy tiako indrindra amin'ny asako