"...Valio amin'ny soa ny ratsy!"
"...Valio amin'ny soa ny ratsy"
Ny kristiana rehetra dia mahalala an'io fehezanteny io avokoa fa ny mampihatra azy angamba no mbola amin'ny ampahany. Misy ny maniry fatratra mba hahantateraka izany saingy misy koa ny ny mino fa nofy izany noho ny fahasarotany. Nasiako teboka telo teo alohan'ilay fehezan-kevitra mba hampisehoako fa misy hevitra voalaza alohan'io saingy niniako tsy nolazaina eto satria iny tapany iny no mahatonga antsika tsy hanaiky io teny io. Sarotra kokoa manko ny manaraka baiko mandrara noho ny manaraka baiko mandidy. Raha mahatanteraka io tapany faharoa ihany koa isika dia ho tanteraka ho azy ilay tapany voalohany.
Samy te ho mpihaino mpankato avokoa isika kristiana rehetra saingy mbola ety amin'ity tany fanjakan'ny ratsy ity moa ka lavo foana matetika. Samy mba maniry hanana fo mahay mandefitra avokoa ary mitsiriritra ery mahita ireny olona tsy manana lolom-po ireny saingy tsy mora loatra ny mitsiky amin'ny olona tsy manao afa-tsy manisy ratsy antsika na koa mizara amin'ireo olona tsy mba mahay mitsetra ny hafa akory. Tsy andrintsika akory ny hahitantsika kendry tohina hanomezantsika "lesona" azy amin'ny alalan'ny famerenana aminy izay nataony. Mipetraka anefa ny fanontaniana hoe: anjara asantsika ve izany? Inon'ilay olona isika no afaka hanome lesona azy? Ny famerenana aminy izay nataony izany hoe fanaovanao ratsy ve no fomba tsara indrindra hanovanao azy ho tsaratsara kokoa sa vao mainka manimba zavatra ianao amin'izany?
Ny zavatra nolazain'Andriamanitra dia misy antony. Aza mihevitra fa tsy tia anao haneho ny fihetseham-ponao Andriamanitra raha nilaza izany, fa tsy te hampitombo ny olana efa misy fotsiny Izy. Raha nilaza Jesoa hoe "valio amin'ny soa ny ratsy" dia satria fantany fa sady azo atao tsara izany (ary fantany fa sarotra koa matoa notsindriany manokana) no zavatra tsara ihany koa (satria ny Tompo dia tia ny tsara).
Tsy dia mbola tsaroako aho no namaly ratsy ny ratsy tamin'ny sitrapoko izany teo amin'ny fiainako. Mety efa nisy izany fa tsy niniako natao angamba na koa zavatra mandeha ho azy fony fahazaza. Tsy milaza aminao anefa aho hoe mora izany, mba tsy hilazako hoe anisan'ny fotoana mafy indrindra iadiako amin'ny tenako sy amin'izao tontolo izao ny fanapahako hevitra fa tsy hamaly faty aho.
Araka ny efa nolazaiko matetika dia olona efa zatra nijaly aho. Vao teraka aho dia tontolo manjombona no nandray ahy ary nanamora ny hafa hampahory ahy ny fahalalana fa olona tsy manan-kiantorahana aho. Nampijaly ahy ny mpiara-mianatra tany am-pianarana satria mavomavo aho. Tsy mba nisy niraharaha ahy any anaty fivoriana satria tsy mba nihaingo na nanana zavatra tsara aho afa-tsy ny fahaizako. Tsy holazaiko intsony ny fanarabiana azoko noho izaho maintimainty fihodirana, ngita volo, ary ratsy tarehy sy ratsy vatana. Vitan'ny mpiara-mianatra tamiko fahiny ny milaza fa toy ny "rajako" aho ary tena nilentika tany am-poko izany. Na ny reniko niteraka ahy aza dia nandratra ahy in'arivony, raha izy no olona farany tokony hanao izany eto an-tany, saingy tsy hamaly faty aho, eny tena hamaly faty aho saingy amin'ny alalan'ny soa ataoko azy isanandro.
Hoy izay namako izay indray andro: "Miaiky andry aho izay! Ahoana moa no mahatonga andry tsy hamaly ireny olona maha te hamono ireny? Fa maninona ary indry no mamela azy ireny mora fotsiny?". Ny atony? hoy aho, "not because she is a bad person that I have to be a bad one too". Ahoana no ahavitako izany? Ireto ary ny fanaoko raha mety mba hanampy anao koa:
Ireo no mba fanaoko rehefa miady amin'ny ratran'izao tontolo izao saingy mbola tsy vitsy ny fotoana maha resy ahy. Mitohy hatrany anefa ny ady ary ny fanantenana dia ny handresy rehefa tonga ilay farany. Handresy aho satria misy mampandresy ahy eo anoloako!
Sedera
19 Febroary 2020
Tsy dia mbola tsaroako aho no namaly ratsy ny ratsy tamin'ny sitrapoko izany teo amin'ny fiainako. Mety efa nisy izany fa tsy niniako natao angamba na koa zavatra mandeha ho azy fony fahazaza. Tsy milaza aminao anefa aho hoe mora izany, mba tsy hilazako hoe anisan'ny fotoana mafy indrindra iadiako amin'ny tenako sy amin'izao tontolo izao ny fanapahako hevitra fa tsy hamaly faty aho.
Araka ny efa nolazaiko matetika dia olona efa zatra nijaly aho. Vao teraka aho dia tontolo manjombona no nandray ahy ary nanamora ny hafa hampahory ahy ny fahalalana fa olona tsy manan-kiantorahana aho. Nampijaly ahy ny mpiara-mianatra tany am-pianarana satria mavomavo aho. Tsy mba nisy niraharaha ahy any anaty fivoriana satria tsy mba nihaingo na nanana zavatra tsara aho afa-tsy ny fahaizako. Tsy holazaiko intsony ny fanarabiana azoko noho izaho maintimainty fihodirana, ngita volo, ary ratsy tarehy sy ratsy vatana. Vitan'ny mpiara-mianatra tamiko fahiny ny milaza fa toy ny "rajako" aho ary tena nilentika tany am-poko izany. Na ny reniko niteraka ahy aza dia nandratra ahy in'arivony, raha izy no olona farany tokony hanao izany eto an-tany, saingy tsy hamaly faty aho, eny tena hamaly faty aho saingy amin'ny alalan'ny soa ataoko azy isanandro.
Hoy izay namako izay indray andro: "Miaiky andry aho izay! Ahoana moa no mahatonga andry tsy hamaly ireny olona maha te hamono ireny? Fa maninona ary indry no mamela azy ireny mora fotsiny?". Ny atony? hoy aho, "not because she is a bad person that I have to be a bad one too". Ahoana no ahavitako izany? Ireto ary ny fanaoko raha mety mba hanampy anao koa:
- Mangina
Tsy mahateny aho matetika rehefa misy mandratra ahy. Mety efa toetrako angamba ilay izy satria nampianarina ny hangina aho na iza na iza manao ratsy ahy. Nanafatra ahy foana ny reniko fa tsy fanao ny miady amin'olona fahakely fa miala lavitra no atao rehefa misy ankizy mila sotasota. "Volamena" ny fahanginana fa mba andramo dia ho hitanao fa hampihena olana izany. "Volamena" saingy tsy mora azo, tsy mora iravahana! Maharary ny miravaka azy, eny manaintaina tokoa. Milentika ao am-po avokoa ireo teny na fihetsika mandratra nataon'ny hafa ireny rehefa tsy mamaly ianao ary rehefa lasa ilay seho dia manenina kely ianao hoe nahoana ary tsy namaly sy nanao vava be aho teo. Saingy mifalia raha nangina ianao, fa namela ny Tompo hiteny ianao izay!- Mivavaka
Tena maharary, hoy aho, ny tsy mamaly ary tsy ho vitan'olombelona mihitsy ny mitelina tsy hamela takaitra ireny ratra be ireny. Saingy vita foana izany rehefa ny Tompo no manampy anao. An-dranomaso aho matetika no mitaraina amin'ny Tompo momba ireny fampahoriana ataon'ny hafa ahy ireny. Tadidiko tany amin'ny naha mpianatry ny kolejy ahy tany dia teo amin'ny 5 andro anatin'ny 7 andro aho no nitomany. Matetika io masoko io no bongo, tena bongon'ny ranomaso no mandeha mianatra. Tsy nahakivy ahy ireny ary tsy mbola nikasa ny hamaly ratsy ireny olona nampahory ay ireny aho. Aleo ny Tompo no hiady ho ahy sady efa izany foana no nataony ka fantatro fa tsy hitsahatra izy raha tsy efa mahazo lesona tsara ireny olona ireny.- Mamela heloka
Ity no sarotra indrindra ary tsy vita indray mipi-maso. Eto no ahatsapana fa raha vonona ny hanatanteraka izay nolazain'ny Tompo tokoa ianao dia Izy no handray an-tanana ny amin'ny fanatanterahana izany. Ny antony? Tsy ho vitanao irery izany ny hamela ireny olona nanambany anao, nilaza fa tsy misy ilana anao, nanimba ny fanananao, nijery fotsiny anao rehefa matin'ny hanoanana ianao, na koa nihomehy sy nandatsa anao rehefa lavo ianao. Tsy ho vitanao irery izany saingy ho tanteraka soa aman-tsara rehefa mamela ny Tompo hanadio ny fonao ianao. Ny valifaty tsara indrindra dia ny famelan-keloka. Eny, tena valifaty ny famelan-keloka satria rehefa mamela heloka ianao dia sambatra sy madio fo fa ny mpanao ratsy kosa henjehin'ny eritreriny sy ny neniny indray andro any. Moa tsy izany va no tanjon'ny valifaty? Hanafaka anao amin'ny fahatezerana sy hanafay ny mpanao ratsy?- Manao soa
Rehefa avy namela heloka ianao dia tsy tokony hanenina fa hameno ny fonao amin'ny hafaliana satria afaka tao anatin'ny fahatezerana sy lolom-po ary ny faniriana hanao ratsy. Miankina amin'ny karazan'olona nanao ratsy anao no hamerina indray amin'ny laoniny na tsia ny fifandraisanao amin'ilay olona. Mety misafidy ny tsy hanatona ilay olona ianao mba tsy hisian'ny ratra vaovao; tsy ratsy izany. Mety teren'ny zava-misy hihaona amin'ilay olona anefa ianao isanandro ary mety hoe hiara-monina aminy mandrakizay aza. Raha tena te hanome lesona ilay olona tokoa ianao dia asehoy fa tsy olona ratsy ianao na dia noharatsiana aza. Manaova soa aminy! Eny hoy aho, manaova soa aminy. Raha tsy nanome anao izy tamin'ny fotoana nilanao fanampiana, dia omeo soa aman-tsara izy rehefa mitady. Aoka ho modely isika ary aoka hampiharintsika izay efa nolazain'ny Tompo hataontsika. Aoka tsy isika no hanafatra ny zanatsika tsy hizara amin'ireny namana tsy mizara ireny satria mamboly ao anatiny ilay toetra ratsy sahady isika. Tadidio fa hiraikitra kokoa ao an-tsain'ilay olona mandrakizay ny lesona raha zavatra tsy nampoiziny hataonao mihitsy no nataonao noho ianao manao ilay ratsy efa nahiany ka hampitohy ny fifanaovan-dratsy eo aminareo hatrany ary hanapaka ny fifandraisanareo hatramin'ny farany.- Maneho fitiavana
Rehefa feno fitiavana ianao dia ho faly foana, ho sambatra foana ary ho lasa modely ho an'ireo mikatsaka izany fahasambarana izany. Misy olona anie mba maniry an'izany hoe tsy hanana olana amin'ny hafa mihitsy e, saingy resy foana rehefa tojo ady ka sady miady amin'ny atsy no sy tsy mifampiteny amin'ny aroa. Asehoy ireny olona nanao ratsy anao ireny fa olon'ny fitiavana ianao ka afaka mitia azy. Izany no fotoana tsara indrindra hanomezanao ilay lesona nokasainao homena fony ianao naratra. Jereo anefa ny fahasamihafan'ny vokatra: raha namaly ratsy ianao dia tsy hanaiky ny ratsy vitany mihitsy ilay olona fa hitady izay ratsy hatao anao indray ary dia ho feno fifankahalana ny fonareo. Raha fitiavana kosa anefa no avalinao ny ratsy dia ho tonga saina ho azy ilay olona ka mety hianatra avy aminao. Tsy izy irery no mety hahatsikaritra izany satria modely ho an'ny manodidina anao rehetra ianao amin'izany. Tsy ianao izany no nisahirana nitady lesona ho azy fa ny fiainana dia ampy hananatra azy eny. Ary tsy hoe olon-dratsy ranona dia ho olon-dratsy toa azy ianao! Tsia, afaka hijanona ho ilay olona feno fitiavana sy madio am-po foana ianao na dia tsy mitsahatra manao ratsy anao aza izao tontolo izao satria ianao dia manana ny Tompo hanadio ny fonao. Mahafaly ahy indrindra izany mahita ireo olona nampahory ahy fahiny miresaka amiko sy miantso ahy matetika, miantoraka amiko rehefa misy olana, ary misaotra ahy amin'izay ataoko amin'izy ireo.Ireo no mba fanaoko rehefa miady amin'ny ratran'izao tontolo izao saingy mbola tsy vitsy ny fotoana maha resy ahy. Mitohy hatrany anefa ny ady ary ny fanantenana dia ny handresy rehefa tonga ilay farany. Handresy aho satria misy mampandresy ahy eo anoloako!
Sedera
19 Febroary 2020

Commentaires
Enregistrer un commentaire