Aza manao ny tsara fa manaova ny faran'izay tsara!

Aza manao ny tsara fa manaova ny faran'izay tsara

Efa nisy fotoana ve ianao narary mafy na niharan’ny loza iray ka nahatsapa hoe teo ambavahaonan’ny fahafatesana? Efa nisy fotoana ve ianao nandefa lavitra ny sainao ka nieritreritra hoe: “raha sanatria moa ka maty tamin’iny tokoa aho?” na hoe “raha izao moa aho lasa tampoka….?” Ho an’ny olona mbola mahatsapa manana adidy maro dia matetika mampiditra io hevitra io ilay eritreritra lazaintsika matetika hoe “mpamosavy” kanefa dia tsy tongatonga ho azy ireny hevitra hafahafa ireny fa mety natao hahatonga saina antsika. 
Tamin’ny 07 Aprily 2018 no natao tao Ihosy ny fanamasinana ny fanambadianay. Feno tanteraka ny hafaliana satria vita ny nomanina rehetra ary nandeha tamin’izay nanomanana azy avokoa ny zavatra rehetra. Sambatra koa ireo ray aman-dreny satria mba nahavita dingana lehibe ny zanany satria tsy dia betsaka eo amin’ny fianakavianay izany manamasina fanambadiana izany. Araka ny fomba betsileo dia entina any amin’ny fianakavian-dRalehilahy avy hatrany ny vehivavy rehefa vita ny fanateram-bodiondry saingy noho ny anay mbola nisy ny fanamasinana ny ampitson’iny dia niandry ny alahady 08 Aprily vao nizotra nankany Ambohimahasoa izahay (izaho sy ireo fianakaviako vaovao). Tamin’ny 10 atoandro eo izahay no niala tao Ihosy ary nijanona matetika teny an-dalana ka takariva vao tafiala tao Fianarantsoa. Tsy niray fiara taminay ihany koa ny vadiko raha tsy tonga tao Fianarantsoa noho ny zavatra izay tsy maintsy nataony. Nandray ny fiara nitondra anay izy ary faly ery izahay nony niainga tao Fianarantsoa satria ora vitsy dia ho tonga any Ambohimahasoa, tsy ela akory dia hihaona amin’ireo havana maro be izay sasa-miandry anay sy mba te hihaona amin’izato havandry zareo “vita mariazy” dia ireo “mpivady vao” izany. Alahady moa ny andro ka tsy vitsy ny mpanana no mandeha mivoaka ny tanàna mitondra fiara mba haka aina aina lavidavitra miaraka amin’ny fianakaviany. Iray amin’ireo olona ireo ity tovolahy nitondra fiara Hyundai Terracan izay nifanena taminay teo Ampompoka ka noho ny tahan’ny alikaola izay somary niakatra tao aminy dia tsy voaviliny nanaraka ny lalana ny fiara teo am-pihodinana ka namantana tamin’ilay fiara nitondra anay. Mafy dia mady ny dona ka feo nirefotra nitohy tamin’ny fikarantsan’ny vy sy fitaratra no nampirina ilay hafaliana niboiboika tao amiko tao anatin’ny ampahan-tsegondra fohy dia fohy. Nidona teo anelanelan’ny varavarana havian’ny lohan’ny fiara sy ny varavarana ao aoriany ilay fiara tsy mataho-dalana. Nihoraka niantso an’Andriamanitra ny olona tao anaty fiara; izaho kosa nivavaka mangina alohan’ny hiatrehako ny zava-misy. Tao aloha aho ary tety amin’ny masoko no nitaratra ny jiron’ilay fiara talohan'ny namantanany teny aminay. Tsy nino aho hoe tsy maty ary nanantena hoe handevina sahady andro vitsy taorian’ny mariaziko. Tsy nisy na inona na inona intsony teo alohako na fitaratra na zavatra, eny fa na ilay solosaina napetrako teo rehefa avy nijereko zavatra aza dia nitsambikina nankany alohan’ilay fiara na notsimponina tao ambany minitra vitsy maromaro taty aoriana. Potika avokoa ny fitaratra rehetra tamin’ilay fiara. Mbola velona ilay mpamily teo akaiko, vaovao tsara iny saingy nampanahy satria tsy afa-nihetsika izy ary nosokirina baraminina vao nisokatra ny varavarana niforiporitra toy ny taratasy nanery azy. Maty angamba ny vadiko, hoy aho. Sahady ve? Dia sanatria ve ka ho mpivady indray andro fotsiny izahay? Olona mikiakiaka no henoko tao aoriako. Samy namonjy nivoaka haingana izahay ary tsy ela koa dia namoha vavahady hamonjy anay ireo masera monina ao anatin’ilay tamboho teo an-tsisin’ilay arabe. “T’as rien cherie?” hoy ny feon-dehilahy nanontany ahy tao anaty haizina, satria efa niha-maizina ny andro. “Dis-moi que tout vas bien, s’il te plait”. Nipararetra ny feony; tsapa fa nilentika tany anatiny tany ny tahony hilazako hoe naratra na tapaka aho. “Tsy maninona aho” hoy aho. Tsy tena mbola fantatro ny nahazo ahy tamin’io satria toa nofy avokoa no zavatra niainako. Tsy nisy fantatro intsony na ny hoe aiza izahay, iza no tao anaty fiara, sns fa ny fakako sary an-tsaina ireo naratra mafy ho kilemaina mandrakizay sy ny fomba hamahanay mivady ny olana mitranga no nameno ny saiko. Efa elaela vao tonga saina aho fa tsy hita ilay solosaina ka nokarohina tany ambany fiara; efa minitra maro taty aoriana koa vao fantatro fa naharary ny tongotro satria izay vao niverina tsikelikely ny saiko. Nanakana fiara avy hatrany izahay mivady hitondra ahy hozahana eny amin’ny hopitaly Tambohobe ary efa tratranay teny koa ireo fianakavianay izay tena voa mafy ka nila fitsaoboana vonjy maika. Dia namaha olana no nataonay ny alin’iny manontolo ka lasa nofy nampirimin’ny alina tsy ho hitan’ny mazava ilay finoana hahita ireo havana maro niandry anay tany an-tanàna. Havelako eo ny tantaran’ny aminay fa ndeha hizara aminareo izay lesona notsoahiko tamin’izay aho. 
Saika maty aho ary ampahan-tsegondra vitsy nahatonga saina ilay mpamilinay hoe havily any anaty lalamby ilay fiara no tsy nahafaty ahy satria raha tsy izany dia teo aminay telo mianaka teo amin’ny “devant” no nivantanan’ilay fiara Terracan. Efa saika tsy nahalala na inona na inona intsony aho izay. Efa saika ho vatana lo sy ambin-taolana aho sisa! Efa saika hadinon’ny olona ny fisiako ary efa saika maty vady sahady ilay vadiko, eny saika tsy nisy akory ilay zanako. Soa ihany anefa fa “teo Kristy”. 
Tsy misy mahalala ny havoakan’ny afaka minitra vitsy eo ka raha azo atao dia manaova ny tsara indrindra, aza atao hoe “efa mety izay” na “efa tsara ny nataoko” fa miezaka mba hikendry ny lafatra hatrany indrindra amin’izay ataonao. Miezaha, hoy aho, eny milofosa mihitsy hanao ny faran’izay tsara azonao atao, amin’izay rehefa tonga ilay andro izay tsy hisy na segondra hiomananao akory dia ho tantara tsara no havelanao amin’ny velona ety an-tany. Ny hatsaram-panahinao no hanembonan’ny mpiara-monina anao ary ny fahamoram-ponao no hahatsiarovan’ny namanao anao. Ny fametrahanao ho tanjona izany atao hoe “lafatra” dia hahatonga anao no afa-po ka rehefa tsy maintsy hifarana ny adinao dia tsy hampitahorin’ilay eritreritra intsony ianao hoe “raha izao moa ianao no lasa dia…?”
Misy hevitra vitsivitsy ireto arosoko mba hahatonga anao ho ilay olona tsaroanay rahatrizay. 

1. Miezaha hanana ny tsara


Ny avo no kendreo ary ny lafatra no tratraro. Izay anananao dia ezaho ho ny tsara indrindra azonao ananana. Aza malaky mionona fa miezaha mba hanana toetra tsara, zavatra tsara, fiainana tsara, ary namana tsara. Ny fanananao ny tsara no hahafahanao mizara ny soa sy mamindra izany amin’ny hafa satria tsy mety raha miteny ihany fa tsy manao. 

2. Mitiava


Ny fitiavana no zavatra tsara indrindra ifampizarana nefa tsy azo vidim-bola sady tsy voavidy vola. Tiava raha mbola azon’ny fonao atao ary raha Kristiana aza ianao dia aza izay tia anao ihany no izarana fitiavana fa na ireo fahavalonao aza. Andramo izany mamaly fitiavana ireo mpampahory anao izany fa ho feno fahasambarana ny fiainanao ary ho tsaroan’ny olona mandrakizay ianao. Tsy natao hokobonina ao am-po ihany ny fitiavana fa natao holazaina, haseho amin’ny fihetsika na goavana na madinika, ary indrindra natao ho milina manosika antsika hanao ny tsara hatrany. 

3. Manampia


Tsy ho anao irery no antom-pahavelomanao fa ho an’ny hafa. Tsy mba mahafaly anao ve izany hoe misy dikany ianao amin’ny fiainan’ny hafa e? Tsy mba hasambarana ho anao ve izany mieritreritra hoe nanova ny fiainan’ny hafa ianao e? Tsy materialy ihany no resahina raha miresaka fanampiana izany fa betsaka ny azonao anampiana ny hafa. Mahay zavatra ianao? Ndeha ampianaro ny hafa izany. Misy namanao malahelo sy manana olana? Henoy izy ary ampio izy hikaroka vahaolana. Manana fotoana lavalava ianao amin’ny fialan-tsasatra? Mitadiava fikambanana mila olona hanampy dia milatsaha an-tsitrapo. Raha fitaovana sy vola moa no anananao dia betsaka no mila fanampiana toy izany eto amintsika. Eny fa na io korontana mameno trano ampirimintsika io anie ka tena mahafaly ny hafa raha zaraintsika amin’izy ireo e. Tadidio fa raha manampy ny hafa ianao dia faly izy ireo saingy mihoatra lavitra noho ny azy ireo ny fahafaham-ponao. Noho izany dia aza hadino fa tsy ny hafa no anaovanao izany raha manampy ianao fa ho an’ny fahasambaranao sy ny fahafaham-ponao aloha vao ny an’ny hafa. Andramo anie!

3. Mizarà


Mizarà amin’ny hafa ary izy hizara izany. Dia hitohy hatrany ny fizarana! Saingy aza hadino fa ny tsara no mila zarainao mba hiparitahan’ny tsara koa. Toy ny menaka io zavatra ataontsika na lazaintsika io, vao miala eo amintsika dia mitatra ka raha tsara no aparitatsika dia ho tsara koa ny manodidina antsika. Mizarà tsiky raha vao maraina dia hitsiky aminao ny manodidina. Mizarà fitiavana amin’ny ao an-tranonao dia ho sambatra ianao ary ho sambatra koa izy ireo. Mizarà amin’ny malahelo dia sady tsy hihamahantra ianao kanefa izy koa mba hanana. Misy zavatra toy izao hitako sy tsapako eto amin’ity fiainana ity. Misy ireo manana izay tena kahihitra ary misy amin’izy ireo ny mitondra fananana na mihisatra koa ny fivelomany. Fa ny olona matoa mizara dia tia mizara izy izay, izany hoe toetra sy faniriana ao anatiny ny mizara. Ireny olona ireny dia mitombo fananana hatrany satria omen’Andriamanitra  foana izy mba hahafahany manatanteraka ilay nofiny dia tsy inona izany fa ny mizara foana. Izy ireo araka izany no lasa tanan’Andriamananitra mamonjy sy manampy ny hafa ka lasa mamy hoditra eo amin’ny fiaraha-monina. Amin’ny maha toetrany an’izany dia tsy mba ireharehany izany ka lasa mihahita taratra hatrany ny voninahit’Andriamanitra ao amin’ny asany. Samy tsy misy voa anefa: Andriamanitra mahefa ny asany amin’ny olony, ny mpizara mihamanana ihany ary mandroso araka izany ny asa fihariany, ny omena kosa safononoky ny hasambarana satria mba voavonjy indray aloha. Rehefa tafita iretsy farany dia hizara koa ka hiparitaka haingana toy ny menaka amin’izay ny soa sy ny tsara.

5. Miasà



Eny miasa! Aiza ianao no hahita hozaraina raha tsy hiasa? Ny olona vonona hanampy ny hafa dia olona tsy mba manao ariary zato am-pandriana fa mitady izay mety foana. Tsy mba olona tampohin’ny loza ireny fa olona mahita vahaolana foana ary tsy mba mora mitanondrika satria efa zatra miatrika ady sy miasa mafy. Izay no maha olona tena ilaina azy amin’ny fiaraha-monina. Raha amin’ny Kristiana ilay miasa dia azo adika hoe miasa ho an’ny Tompo. Koa raha te ho ilay olona vonona ny amin’ny farany ianao dia dieny izao dia manaova ny tsara ary miasa!



Sedera Ramadinirina 
06 Febroary 2020

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Honoring the Departed: Betsileo Funeral Practices and the Heart of Fihavanana

Didy Folon'ny Fampihenana Vatana

Ireo zavatra 3 tsy tiako indrindra amin'ny asako