Tsy irery intsony ianao!

Tsy irery intsony ianao!

Tsy irery intsony ianao izao fa efa mitsaika ao an-kibonao ilay menaky ny ainao, mitondra rano hoy ny fitenintsika malagasy na koa hoe mavesatra hoy ny sasany. Ho an'ny vao sambany dia betsaka ny fanontaniana apetraka amin'ny manodidina na koa anaovana fikarohana manokana noho ny tahotra ny hanaonao foana. Tsy andry ery izay fotoana hahitana ity sombin'ny aina efa nonofisina fony vao mbola nilalao saribakoly fahakely. Kely sisa dia tonga! Volana sisa no isaina ary tsy saribakoly toy ny fahiny intsony fa olona manana fo mitempo, mahatsapa, ary mandre toa antsika mihitsy. Io ilay ho taranaka rahatrizay ka satry ery mba ho tomombana avokoa ny momba azy. 
Tsy mpitsabo aho no manoratra na koa hoe olona manana traikefa manokana momba ny reny sy ny vohoka fa ny boky novakiko sy ny fikarohana nataoko ary ny fampiharana nataoko no nanosika ahy hizara aminao ireo zavatra vitsivitsy hanananao vohoka milamina. Reny aho ary vao anankiray ny zanako. Ny volana Marsa 2018 aho niteraka ny zanako, izany hoe mbola azo lazaina ho tsy ela akory ka niaina sy nahita ny ankamaroan'ny zavatra iainan'ny vehivavy ankehitriny. Raha izaho manokana no anontaniana hoe mora ve sa sarotra ny miteraka dia hovaliko hoe sarotra, saingy raha anontaniana aho hoe maharary ve sa tsia dia hovaliko hoe zara fa maharary. Niteraka tamin'ny fomba voajanahary aho izany hoe tsy nasiana fanafody fanalefahana fanaintainana na koa hoe nodidiana. Izaho no tonga amin'ilay lazain'ny olona hoe "moraina" na tamin'ny nitondra vohoka na tamin'ny niteraka. Tsy aritro araka izany ny tsy hilaza aminareo ireo tsiambarateloko nandritra izany fotoana izany. 

1. Fahavononana

Toy ny dingana atao rehetra amin'ny fiainana dia ilàna fahavononana ny fitondrana vohoka sy ny fiterahana. Ny tena idealy dia atao an-tsitrapo ny fametrahana ny zaza ao am-bohoka fa tsy sanatria hoe vokatry ny tsy fitandremana na ny andrakandrana. Hafa tanteraka izany hoe mpivady mivonona ny hiteraka izany satria na ny fandraisana andraikitra any aoriana dia ho feno na avy amin'ny an-daniny na avy amin'ny an-kilany. Manampy anao hikajy ny fotoana mety hahaterahanao ihany koa ny fanomanana ny fiterahana indrindra raha reny miasa ianao. Tsy ny saina irery ihany no mila vononina fa na ny ara-bola koa aza. Tetikasa anankiray eo amin'ny fiainana (projet) toy ny mariazy sy fanalana fanadinana ny fiterahana ka mila ezaka, fanomanana, vola, ary fikirizana indraindray. Izany no ilàna fahavononana mba tsy hanenenana rehefa tsy afaka mivoaka miaraka amin'ny namana amin'ny hariva na tsy afaka mamonjy ny mariazin'ny namana any ambanivohitra ianao rehefa tonga izay. Ilay andro fiterahana koa dia mila fiomanana sy fanomanana satria ady no atrehina amin'io. Hoy ny vadiko izay hoe: "matoa nataon'Andriamanitra sivy volana ny vohoka dia izay no fe-potoana ilaina hanomanana ny saina sy ny ho enti-manana amin'ny fandraisana ny zazakely". Tsy hitovy amin'ny ianareo roa intsony tsinona ny fiainana rehefa tonga ny zaza ary izany indrindra no ilàna ilay fahavononana. Tsy vitsy amintsika anefa no tsy nanana fotoana hiomanana fa zaza efa mitsaika vao fantatra ary tsy zava-doza akory izany fa matoa vitan'ny hafa dia zavatra natao ho vitan'ny rehetra. Ny mamboatra saina sy miomana avy hatrany no vahaolana enti-miady voalohany.

2. Manaizana

Rehefa manomboka mitsaika ao am-bohoka ilay menaky ny ainao dia hiova ny toe-batanao: malemilemy, tsy misakafo loatra, mandoa, tsy tia fofona izay tsy nampaninona anao taloha. Tsy mitovy anefa ny toe-batan'ny vehivavy rehetra ka misy ny sarotiny ary misy ny morainy. Ny vaovao tsara anefa dia mandritra ny telovolana voalohany ihany no tena iatrehanao izany. Ny mandoa dia matetika fambara iraisan'ny rehetra. Amin'ny maraina na rehefa tsy misy sakafo ao anatin'ny vavony no tena mampiseho azy. Ny antony? Midina ny tahan'ny siramamy ao aminao dia izany no mahatonga an'iny. Ny atao? Mihinana mofo dipaina kely na "sandwich" na zavatra kely vita amin'ny lafarinina. Tsy tokony hatao betsaka saingy atao matetika. Tsara kokoa raha mihinana isaky ny ora iray na ora iray sy sasany eo ianao ka izany no tsy anaovana azy betsaka mba tsy hampitombo be ny lanjanao. Andramo io fa ho maivana kokoa ny hiatrehanao ny telovolana voalohany. 

3. Ny sakafo

Rehefa bevohoka isika vehivavy dia matetika mihanta. Amin'iny koa no mitsiky amintsika avokoa ny rehetra ary malalaka amintsika avokoa ny tananan'ny fianakaviana indrindra moa fa ny vady. Dia tonga amin'izay ny faniriana itsy sakafo itsy sy izatsy sakafo izatsy. Tena ilaina ny misakafo mihoatra noho ny sakafontsika teo aloha satria misy sela betsaka vao amboarina ao an-kibontsika ao. Io famoronana sela isankarazany io anefa dia mila singa isankarazany. Izany indrindra no maha-zava-dehibe ny fisakafoanana ara-pahasalamana. Mila siramamy, menaka, proteina, vitamina, ary sira mineraly maro ny vatantsika. Tsy mety araka izany raha tsy mihinana afa-tsy vary sy hena isika, na tsy mihinana afa-tsy voankazo, na mifady zavatra izay ilain'ny vatantsika. Ilaina ny mihinana ny karazan-tsakafo rehetra:  "féculents" (vary, paty sns), sakafo vita amin'ny ronono (yaourt, fromazy sns), hena, hazan-drano, legioma, voankazo. Aza hadino fa mila misotro rano betsaka tsy latsaky ny 1,5 litatra isan'andro koa ianao. Raha voalanjalanjanao ireo dia hitombo ara-dalana ny zanakao ary tsy dia hihoam-pampana fitombon'ny lanjanao. 

4. Fizaham-pahasalama

Ilain'ny reny bevohoka ny manana mpitsabo manara-maso azy mandritra ny vohoka. Tsara kokoa raha ianao reny bevohoka no misafidy izany mba hanananao fahatokisana kokoa ilay olona. Ny tena idealy dia ny ampiterahin'ilay mpanara-maso satria izy ihany no mahalala izay momba anao rehetra sy ny nitranga nandritra ny vohoka. Tsy dia ampy anefa ny miandry ny fotoana isam-bolana amin'ny mpitsabo voa hahalala ny momba anao fa tsara raha afaka mikaroka amin'ny aterineto izay mety ho zavatra mitranga amin'ny vatanao ianao amin'ny vanim-potoanan'ny vohoka. Ohatra hoe amin'ity herinandro ity izany dia manomboka maniry rantsam-batana ny zanako ka mila mihinana an'ireto na manao an'ireto aho. 

5. Fihetseham-batana

Moraina aho, hoy aho ,tamin'ny niteraka satria ny maraina aho mbola nanao fanatanjahan-tena tao  amin'ny kianjan'Alarobia, ny tolakandro aho tonga teny amin'ny hopitaly, ary ny hariva tamin'ny dimy aho dia teraka. Mety tsy hitovy amiko ianao saingy anisan'ny nanamora ny fiterahako ny fihetsehan'ny vatako nandritra ny vohoka. Mihetsika aho raha mbola tsy reraka be any am-piasana. Rehefa feno 34 herinandro eo ny kiboko dia nandeha an-tongotra adiny roa isan'andro (amin'ny 5-7 hariva) aho. Mandeha eny an-dalana eny dia manodidina an'Ivandry, Androhibe, Analamahitsy dia miverina eny Alarobia indray. Izany foana no natao saingy mandeha miadana sy maka aina rehefa reraka be. Rehefa feno 38 herinandro kosa dia nihazakazaka maivana aho ary izaho irery no manao izany ao amin'ny kianjan'Alarobia. Tsy vitsy koa ireo mpitsabo mamporisika ny bevohoka hilomano ary tena tsara izany. Nanandrana ihany aho saingy zara raha nahavita nilomano in'efatra nandritra ny vohoka noho ny fahatahorako ny hifindran'ny kitrotro (satria nihanaka be ny kitrotro tamin'izany). Ny hafatro? Fantaro ny tenanao dia ataovy izay vitanao. Anontanio ihany koa ny mpitsabo anao fa izy no mety hahalala anao kokoa. Aza manao izay tsy vita fa misy karazana fanatanjahantena maro ho an'ny bevohoka amin'ny youtube ka tadiavo ao izay mety aminao. Raha tsy mety aminao kosa izany dia mihetseha maivana ao an-trano na dia manao raharaha vitsivitsy fotsiny aza. 

6. Fotoanan'ny fihaonana

Efa olona io ao an-kibonao io ary manomboka eo amin'ny fahaefa-bolana eo dia efa maheno izay feo avy ety ivelany izy. Mahatsapa izay tsapanao koa izy ary miaina izay iainanao. Manokàna fotoana hihaonanao aminy. Azonao atao miaraka amin'ny vadinao izany saingy hafa mihitsy ilay ianareo mianaka. Resaho izy, lazao azy ny hafalianao manana azy, lazao azy fa sambatra ianao na dia reraka aza. Lazao azy ny mety ho fihaonanareo rehefa tonga izy, lazao azy fa efa voavidinao ny ampahany amin'ny akanjony ary safosafoy izy. Dia hihetsika izy hamaly anao ary iny ilay fotoana mamy hifampizaranareo. Ampihainoy mozika malefaka izy (misy betsaka azonao alaina ao amin'ny youtube) fa hanampy azy ho tony sy hampivelatra sahady ny sainy izany. 

7. Manaova ny tsara

Ny fihetsehamponao no fihetseham-pon'io zaza io ary izay iainanao no iainanao no iainany. Tsy amin'ny fotoanan'ny vohoka irery ihany no amolavolana ny toetran'ny zaza fa ampahany ihany izany saingy fotoana izao hanomezanao azy ireo toetra tianao hananany. Mitsikia, mifalia, ary mahaiza mankasitraka sy mijery ny lafy tsaran'ny zavatra rehetra fa hanana zazakely faly lava sy mitsiky foana ianao rehefa afaka volana vitsivitsy. Raha mangalatra ianao na mandrairay dia aza gaga raha izany koa no hataon'ny zanakao any aoriana any. Raha mivazavaza miady amin'olona ianao dia azonao an-tsaina sahady ny "frustration" iainan'ny zanakao ao am-bohoka ka hahatonga azy ho olona kizitina koa rahatrizay. 

8. Fiomanana amin'ilay andro malaza

Betsaka ny olona sahirana ka manahirana ny mpampivelona noho ny tsy fahalalany izay tokony hataony rehefa tonga ilay fotoana. Mila mianatra mialoha ianao hoe rehefa manao ahoana aho no tokony hiainga ho any amin'ny tobim-pahasalamana indrindra moa raha tsy misy olon-dehibe miaraka aminao. Mila fantatrao hoe ahoana no fomba fiaina (respiration) rehefa mihetsi-jaza mba hampidina ny zazakely haingana sy tsy hanalefahana ny fandrenesanao maharary. Misy teknika vitsivitsy izay azo ampiasaina toy ny manao fandehan-gana sy mitsoka tavoahangy koa izay nampidina haingana ny zanako tamin'ny izaho niteraka. Ary aza hadino fa mila matory mihorirana any amin'ny havia ny reny bevohoka rehefa matory satria manamora ny fandehanan'ny "oxygène" any amin'ilay zaza izany ka mahatonga azy ho "mobile" sy "actif" rehefa tonga ny fotoana hidinany. Ny fitaovana koa dia mila atao vonona mialoha. Makà ny lisitr'ireo zavatra ilaina any amin'ny hopitaly na manontania olon-dehibe. Tadidio fa misy ny zaza teraka 7 volana ka raha isan'izany ny anao dia tokony efa hanana zavatra handraisana azy ianao amin'ny fotoana hahatongavany. 

9. Fiainam-bavaka

Ny farany ary ngeza indrindra dia ny fivavahana. Zava-poana ireo rehetra ireo raha tsy eo ny Tompo manampy anao ara-batana sy ara-tsaina amin'ny fiatrehana ny vohoka sy ny fiterahana. Tadidio fa na fahasoavana aza ny fiterahana dia feno sedra eny an-tsefantsefany eny. Indraindray ianao dia kivy amin'ilay habenao tsy misy bika intsony nefa ny andro fety; ny tarehinao indraindray dia feno tasy sy mony ary ny orona mihangeza tsy fantatra hoe nahoana. Ny tongotra mivonto; ny tena marefo ary zara raha afa-miasa. Saingy rehefa eo ny Tompo mampahatsiaro anao hoe fahasambarana io dia ampy hahasafononoka hafaliana ny sivy volanao izany. Manaova mora!

Sedera Ramadinirina 
1 Febroary 2020

Raha te hifandray amiko ianao na manana fanontaniana izay tsy voaresako teto dia azonao atao ny mandefa mailaka amiko amin'ny ramadysedera@gmail.com na mandefa hafatra amiko amin'ny messenger amin'ny anaran'i Sedera Ramadinirina. 

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Honoring the Departed: Betsileo Funeral Practices and the Heart of Fihavanana

Didy Folon'ny Fampihenana Vatana

Ireo zavatra 3 tsy tiako indrindra amin'ny asako