Ilay nofiko hoy ianao?

Nanonofy aho...

Fanaoko ny mandeha an-tongotra rehefa tsy maika iny aho ka tsy vitsy araka izany ny zavatra hitako eny amin'ny fiaraha-monina. Na dia tsy irony karazan'olona tsy miala ao amin'ny tambazotran-tserasera irony koa aza aho dia tsy vitsy ny zavatra tsikaritro any anatin'ireny rehefa mba misava ny kaontiko aho. Ary indrindra, olon'ny fiaraha-monina aho ka tsy mba mifidy saranga na fomba fijery aho fa matetika dia ahitana ahy avokoa any anatin'ireny fiaraha-monina isankarazany ireny. Ireo no manampy ahy hahalala ny zavatra misy eto amin'ny fireneko ary ahafahako mampitaha izany amin'ny zava-misy any an-kafa. Asa re na inona no nitranga fa na dia fanaoko aza ny manonofy dia hafa kely ity nofiko ity. Tsy aritro ny tsy hitantara azy aminao anio...

Raha nandeha nidina iny lalana Alarobia Amboniloha iny aho ka hidina hihazona ilay lala-mahitsy avy eny Ankorondrano iny dia akory ny hagagako fa nalalaka azo nandehanana avokoa ny sakan'ny arabe rehetra. Saika tsy fantatro hoe aiza tampoka teo aho. Tsy nisy intsony ireo fiara am-polony maro manemitra ny antsasaky ny arabe ary ireo mpivarotra rehetra izay naka ny lalan'ny mpandeha an-tongotra dia nanjavona. Tsy nisy intsony irony lakan-drano feno voalavo sy fako lalovako isa-maraina irony ary tsy nisy 3 minitra akory dia tonga tery ambany aho satria tsy nila niandry ny moto na sarety na fiara na olona ho lasa vao afaka mandeha fa nalalaka tanteraka ny lalana. Nahazo aina daholo ny mpampiasa lalana rehetra. 

Tapa-kevitra tampoka aho fa hotohizako dia an-tongotra ny lalako satria tsara loatra izy izany. Nisy irony marika fiampitan'ny mpandeha an-tongotra irony ery ambanimbany ery ary nijanona teo an-tsisiny toy ny mahazatra aho mba hahafahako manao tongotra an-katoka raha vao lavidavitra ny fiara manaraka. Talanjona anefa aho raha iny fa nijanona tampoka ilay fiara avy amin'iny lalan'ny La City iny fa namela ahy handeha malalaka. Tena nanonofy aho saingy tsy foiko ho tapaka ny nofiko ary niezaka aho mba tsy ho taitra tamin'ny torimaso mamiko. 

Nandray fiara fitateram-bahoaka aho nony tonga teo Ivandry. Akory indray ny hagagako raha niantsona fotoana fohy fotsiny ilay fiara dia niainga, niarahaba ilay mpanampy ny mpitatitra ary nanomboka nanangona ny saran-dalanay. Tsy nahazo toerana eny amin'ny sisiny intsony aho ka tsy taitra akory ilay tovolahy mbola herotrerony teo akaikiko namelatra izay seza hitoerako. Nisaotra aho ary namaly tamin'ny tsiky izy. Rehefa nahazo toerana aho dia nisy olona hafa nandray ilay toerako ary raha namboariko ny sezany dia sady niherika tany amiko izy no nilaza hoe "misaotra indrindra tompoko". Talanjona aho satria izany no teny mba iriko ho re indrindra rehefa mamelatra sezan'olona  any anatin'ireny fiara fitateram-bahoaka ireny saingy olona iray ao anatin'ny 5 no manao izany raha be indrindra. 

Vetivety aho dia tonga teny Tsaralalana. Niverina kely aho dia nanaraka an'iny lalana Petite Vitesse mankany Isotry iny. Asa re na nanao ahoana fa nisy eritreritro kely nilaza tamiko fa very aho, na hoe tsy eto Madagasikara intsony angamba. Tsy nisy hitako ireny mpivarotra fahitako ireny fa soratra lehibe no teny an-dalana: "Nifidra ao anatiny avokoa ny mpivarotra ka raha tena mila miantsena ianao dia tsy maintsy miditra any anatiny". Indro fa feno mpivarotra tokoa tao anatiny, mpivarotra nitsitokotoko araka ny zavatra amidiny avy. Ary madio anie izany tsena izany e! Nisy mpamafa isan-kariva hono ary ny mpivarotra ihany no nanano tsipaipaika nanadiovana izany. Sarotiny ery izy ireo amin'izay manary fako eny. 

Dia nandroso hatrany aho fa na ireo mpivarotra "huitres", famantaranandro, bodofotsy, kiraro, sns nahafantarako an'iny lalana iny dia tsy hitako teo intsony. Dia lasa ny saiko hoe antonona tao anatin'ilay tsena avokoa ve izy ireny. Nandroso tao amin'ilay tsena aho. Akory ny hagagako fa ny antsasaky ny entana rehetra hitako tao dia vita teto an-toerana avokoa. Raha nahay nihoraka tao anaty olona aho dia tena nataoko izany. Hafaliana re izao! Tanteraka ny nofinofiko. Betsaka tamin'ireo kapa sy kiraro no misy hoe "Made in Madagascar' and nojereko fa toa zavatra mba hateza ihany. Irony kilalao irony dia nitangoronana ireo izay vita tamin'ny akora teto an-toerana satria sady mora no tsara tarehy. Ny akanjo moa dia tsy lazaina intsony! Akory ny hatsaran'ireo akanjom-behivavy sy T-shirt vita Malagasy izay nilaharan'ny olona! Ny mpitia firavaka moa dia tazana teny nisafidy ny rojo sy ravaka ary peratra ravahan'ny kristaly sy safira ary vatosoa maro isankarazany. 

Dia toy izany hatrany no zavatra hitako. Ny olona dia tsy ireny fahitako andavanandro ireny. Olona sambatra kokoa no hitako ary mankasitraka ny zava-misy angamba no handikako azy. Misy ny mandeha maika sy mandeha miadana mifampitantana amin'ny namany na ny olon-tiany amin'ilay lalana malalaka tsara. Nafana be ny andro tamin'izay ary nisy ramatoa iray izay avy niantsena angamba no tazako niankina tampoka teo antsisin'ny mandan'ny polisy eo Isotry io. Nanantona azy aho ary tsy nisy 1 minitra akory dia tamy ny olona 5 hafa nanantona anay. Nanontany izay mahazo azy izahay ary teo no nahalalanay fa saika hiantsena ny fitaovana hiterahany tao amin'ny tsenaben'Isotry izy saingy tsy nisy tsena intsony tao fa efa nifindra ary efa lasa toerana filalaovan'ny ankizy sy fakana aina ho an'ny olon-dehibe ilay toerana. "Reraka aho sady mafana be ka fanina. Somary efa voan'ny tazo hatry ny omaly koa aho" hoy izy tamin'ny feo iva dia iva. Nanolo-tena hitondra azy any amin'ny hopitaly ny lehilahy iray satria nanana fiara izy; nibata azy ireo olona 2 hafa ary izaho sy ilay ramatoa iray hafa no nanolo-tena hanaraka azy eny Befelatanana. Nahatafangona 5 alina ariary teo izahay hanampiana izay hitondrana azy eny amin'ny toeram-pitsaboana. 

Teo am-bavahady no nisy nanoro anay ny toerana haleha rehefa mitondra bevohoka. Mpitsabo nitsikitsiky nefa feno fahamatorana no nandray anay ary raha nanadihady ilay tsy salama izy ka nilazany fa tsy mifankalala izahay dia nisaotra anay ilay mpitsabo. Nanome lisitra fanafody hovidina izy ary nitsangana avy hatrany aho. Nony handeha anefa aho dia niahotra kely ny amin'izay mety ho vidin'ireny. Tsaroako fa 5 alina ariary no teny amiko nefa ny iray boaty amin'ilay fahafody fahatelo toa tadidiko fa 38 000 ariary. Efa nividy toa an'izay mantsy aho taloha. "Azafady dokotera, raha sanatria ka tsy ampy ny vola aty amiko dia azoko atao tsirairay ve aloha ireto dia ampiana rehefa avy eo?" Gaga izy nijery ahy. "Alainao fotsiny ireo dia entina aty. Tsy mandoa vola izany rehefa mitsabo. Olona miasa ara-dalana sy manana fiantohana ara-pahasalamana anie io olona io e." Tsy nahalala izany aho! Nazavainy fa ireny ampahany alaina amin'ny karaman'ny Malagasy rehetra ireny dia natao hiantohana ny fahasalamany ka maimaim-poana avokoa ny fitsaboana ankehitriny. Hafa, hoy izy, ny taloha ka ho lanin'ny mpitantana raha akana izany fiantohana izany ny karaman'ny olona. Ankehitriny dia efa tsara tantana ny fanjakana ary ampy tsara hitsaboana ny Malagasy ny vola alaina amin'ny fiantohana ara-pahasalama. 

Tsy andriko izay hizarana izany vaovao rehetra izany tany an-trano ka nody haingana aho. Nandalo an'Ambodinisotry aho rehefa nody: arabe malalaka antonona fiara telo milahatra ary sisin-dalana feno olona mandeha am-pilaminana no tazako. Amin'ireny toerana malalaka ireny no nahatazanako fiara maro mijanona izay inoako fa irony fiara najanona teny an-tsisin-dalana fahiny irony. 

"Mba tsy mahara-baovao aho izany", hoy aho niteny irery, nony tonga tao an-trano. Novelomiko haingana ny fahitalavitra. Mbola eo am-pitadiavana izay fahitalavitra mandefa vaovao aho no 
indro ny vadiko tamy nanolotra ahy irony kitapo fitoerana fanomezana irony. Tsy ilay mamirapitra vita sinoa anefa fa ilay vita tamin'ny taratasy Antemoro. Nosokafako haingana ary indro poketra tsara tarehy vita tamin'ny taretra voaloko mena sy fotsy no tao. Hoditra ny tadiny ary mafy dia mafy ilay raha ny fahitako azy." Nisaotra aho nanao izany fihetsika maha-te hidera izany. Fantatro fa tsy dia nanam-bola izy tamin'io fotoana io nefa nividy zavatra lafo vidy ho ahy. "Hitandry, hoy izy namaly, ampian'ny fanjakana ny mpanao asa tanana malagasy mba hahafahan'izy mamokatra bebe kokoa ka tsy dia ambony be intsony ny masonkarenan'ny entana amidin'izy ireo. Mila manjifa ny vita eto an-toerana isika, hoy izy nanohy, na tsara na ratsy fa izany no antsika. Raha zaraintsika amin'ny firenena hafa ny volantsika dia inona intsony no ho antsika? Izy no mihamanana fa isika kosa ramaky ny fahantrana lavareny. Miasa mafy isika dia avy eo anefa laniana amin'ny fialan-tsasatra any ivelany nefa ny hatsaran'ny Anakao sy Nosy Ve tsy hitantsika akory. Mitsemboka sy misasatra isika vao mahita hohanina nefa ny "chips" sy katsaka avy any ivelany no ihazakazahantsika na dia matsiro tsy misy toy izany aza ny antsika. Nividianako kapa kely i Edena ary mino aho fa mba hahavita azy volana maromaro io ary dia homena zanak'olona hafa rehefa tsy antonona azy intsony. Tena mila manova fomba fiaina isika fa raha isika efa mba toy izao no tsy handroso dia hanao ahoana ny any ambany ravin-kazo rehetra any? Isika no tokony ho modely amin'ny fanohanana ny orinasa malagasy ka na mbola iva dia iva aza ny kalitaon'ny vokatra dia isika no ndeha hampiakatra izany." Tsy hagagana intsony no niainako teo fa fahavelomam-panantenana. Raha mba ny fanjakana no hampiasa vola amin'ny fanohanana ny vokatra eto an-toerana, hoy aho an'eritreritra, dia azo heverina sahady ny mety ho fandrosoana atsy ho atsy. 

Tsy ela taorian'ny fahatongavako no nandefa ny lohatenim-baovaony ny androtr'iny ny TV Plus. Toy ny mahazatra dia ny politika sy izay asa sosialy ataon'ny fanjakana no anombohan'izy ireo azy. Ary mba tsy nanomboka, toy ilay omaly, tamin'ny hoe: "Nomen'i Filoha A.R. rano sy sakafo (nofonosina harona plastika miloko volomboasary) ny mponina any atsimo" fa toy izao no reko: "Tapaka teo amin'ny filankevitry ny Ministra androany fa hovaina daholo ny fomba fitantanana eto Madagasikara ary homena vahana amin'izany ny fokonolona sy ny fiarovana azy sy ny fananany". Tsy mbola tapitra teo fa raha mbola nandinika ny mety ho dikan'izany eo amin'ny fiainana andavanandron'ny sarambabem-bahoaka aho dia reko nisy resaka lalàna momba ny asa sy ny fitantanam-bola izany teo. Betsaka loatra ny zavatra nandalo ny masoko sy ny saiko ka tsy fantatro intsony izay marina sy lainga. Ny tena azoko antoka fa  voalaza ny alin'iny dia ny hoe hamidy avokoa ireo fiara nampiasain'ireo mpiasam-panjakana ambony ka hampandrosoana ireo faritra tena mbola marefo izany. Raha maniry ny hitazona ny azy ireo mpiasa dia azony atao tsara izany ary hotsoahin'ny fanjakana amin'ny karamany ny vidiny. Hamboarina koa ireo lalana tena mampikolay eto Madagasikara ka hoezahina ho vita lalam-bato avokoa ny lalana mihazo ireo renivohitry ny kaominina rehetra. Nanganohanon'ny hafaliana ny masoko saingy nofafako haingana izany satria tsy nety nino tampoka aho. Nanahy aho sao mbola ho resa-be toy ny nisy hatrizay izany. Tamin'ny dokam-barotra no nahitako filazana tolotr'asa be indrindra hatrizay nandrenesako tolotr'asa. Misy orinasa vahiny an-jatony vao nisokatra, hono, amin'ny faritra maro eto Madagasikara ary mpiasa eo amin'ny 1 tapitrisa eo no mbola tadiavina ankoatr'izao 1 tapitrisa latsaka kely efa nahazo asa vaovao. Teo amin'ny tapany faharoa tamin'ny fampahalalam-baovao no nitondran'ny minisitry ny asa fanazavana fa na dia vahiny aza ireo orinasa ireo dia anisan'ny fepetra nomena azy ireo ny fampiasana Malagasy 80 isan-jato farafahakeliny ary ny fanajana ireo mari-karama izay vao nolanina herinandro vitsy izay, mari-karama izay natao hifanaraka amin'ny vidim-piainana sy ny lanjan'ny diplaoma misy eto Madagasikara. Nisy ady hevitra manokana niarahana tamin'ny minisitry ny fampianarana, hono, ny alin'iny niresahana mbola ireo fanovàna ifotony tsy maintsy hatao eo amin'ny sehatry ny fampianarana saingy tsy nahandry aho fa natory. 

Ilay vaovao hitako tao amin'ny Le Jité no nahafaly ahy indrindra. Tonga saina hono ny mpitondra fa ny kolikoly no fositra iray manimba ny rafitra rehetra eto Madagasikara satria any am-pianarana ka hatrany amin'ny fidirana hiasa sy ny fikarakarana taratasy rehetra dia feno izany avokoa. Dia nofoanana hono ny BIANCO ka lasa orinasa tsy miankina no nasolo azy. Efa am-perin'asa io orinasa io ary efa maro ireo mpitandro filaminana sy mpiasan'ny fananan-tany ary tompon'andraikitry ny fampidirana mpiasam-panjakana no efa voatazona any am-ponja sy mandoa lamandy amin'ny fanjakana, lamandy izay arotsaka tanteraka ho amin'ny fampandrosoana ireo faritra atsimon'ny Nosy. 

Tsy ho voatanisako eto izay fantatro rehetra ny androtr'iny fa dia azoko an-tsaina ny fahavelomam-panantenan'ny mponina any atsimo raha nandre fa hanamboaran'ny fanjakana orana artifisialy ny faritra Atsimo Andrefana, Anosy, ary Androy mba hahafahan'izy ireo mamokatra ary hotohanana izy ireo amin'ny fanodinana ny vokatra mba hahafahan'izy miaina amin'ny asa ankoatry ny fambolena. Tsy lazaina intsony ny orinasa mpanodina ny hoditra, taretra, ary voamaina ho lasa vokatra fanondrana any ivelan'ny faritra sy any am-pitan-dranomasina. 

Raha niantso an'i Dada hanontany ny momba ny ombinay aho (satria tena mihorohoro noho ny dahalo ny olona any amin'izao fotoana izao) no nilazany fa nohamafisina indray ny dina sy kalôny any Ihosy ary ny fanjakana no manakarama ny mpiambina ny tanàna, mpiambina izay efa novatsiana basy sy fitaovam-pifaneraserana amin'ireo mpitandro filaminana efa tsara ofana sy matahotra ny higadra raha vao mandray kolikoly na dia ariary zato monja aza. 

"Mamaly vavaka Andriamanitra", hoy aho. Avotra ihany ny Malagasy nony ela ny ela! Mba handroso ihany izahay ary azoko antenaina sahady ny mba honenan'ny taranako amin'ny tanàna madio sy milamina; hanana ny ampy izy ireo satria hanana asa sahaza ny vidim-piainana ary ho afaka handeha na aiza na aiza eto satria handry fahalemana ny tany. Nitsiky aho. Faly aho. Sambatra aho. Nahiratro tampoka ny masoko ka indro valindrihana no hitako ary ny fofona sy ny fanaka efa ntaolo manodidina ahy no nahalalako fa teny amin'ny hopitaly aho. Nidina ny lalana teny Amboniloha, hono, aho no nisy moto izay tsy hitako nifaoka ahy. Noho ny fahateren'ny lalàna (satria feno mpivarotra sy feno fiara miantsona eny) dia sarotra ny nitondrana ahy teny amin'ny hopitaly. Tsy ampy koa ireo mpitsabo nandray tao ary noho ny tsy fananan'ireo olona nanatitra ahy vola dia tsy nisy fitsaboana azo natao tamiko ka dia izao aho tafafoha ho azy izao. Mpivarotra iray nahalala ahy tamin'iny lalana iny, hono, no mba nanolo-tena hitondra ahy teny ka niangavy ilay mpamily fiara karetsaka hibata ahy niaraka taminy. Tsy mba nanganohanon'ny hafaliana intsony ny ranomasoko teo fa niraraka nanaraka ny tarehiko. "Ilay nofiko", hoy aho nisento. Hay dia nofy fotsiny ianao iny! Rahoviana re vao mba hitranga tokoa ireny e? Indrisy ianao ry fireneko! Dia noraisiko ny kitapoko ary niomana hody aho na dia mbola jenjina aza. Tsy tao intsony ilay poketra fitoeram-bolako ary tsy nisy afa-tsy taratasy sy akanjo ba iray no tao... Veloma ianao ry nofiko fa hiatrika ny fiainana indray aho.



Sedera Ramadinirina
25 febroary 2020

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Honoring the Departed: Betsileo Funeral Practices and the Heart of Fihavanana

Didy Folon'ny Fampihenana Vatana

Ireo zavatra 3 tsy tiako indrindra amin'ny asako