Te hihena ianao? Fantaro fa ireto sakafo ireto dia…

Te hihena ianao? Fantaro fa ireto sakafo ireto dia…



1.     Ny “féculents” dia tsy natao ho anao loatra raha te hihena ianao. Ny "féculents" dia avy amina karazana siramamy ka rehefa voatoron'ny taovam-pandevan-kanintsika dia mivoaka avokoa ireny siramamy ao anatiny ireny. Betsaka, araka izany, ny kaloria ao anatin'ny "féculents" ka tsy dia tsara raha hanin'ny olona hanena betsaka. Ny vatantsika Malagasy dia efa tena zatra miankina amin’ny vary ka anisan’ny mahasarotra ny fihenana ny tsy fahafehezana ny fatran’ny vary lany. Raha azo atao dia ahenao ny vary haninao ary soloy zavatra hafa toy ny legioma izany raha matahotra ny ho noana ianao. Tsy ny vary irery ihany no toy izany fa ny lafarinina sy ny sakafo rehetra vita aminy (izay matetika matsiro tokoa L) sy ny ovy. Sarotra izany hoe tsy hihinana “féculents” izany, raha amiko manokana, saingy azo azo atao tsara ny manena azy araka izay azo atao. Raha mahazatra anao ny mihinana ody am-bavafo paty na frity na mofomamy dia ovay ho voankazo izany ka sady ho salama ianao no hihena.

2.     Ny sakafo matavy dia natao hofadiana tanteraka raha te hihena. Raha tavy no tianao hesorina dia rariny indrindra raha tsy hampiditra sakafo matavy ao amin’ny vatanao ianao. Koa fadio araka izany ny “burger”, “charcuterie” izay matavy rehetra sy ny hena matavy ary ny vary be menaka fanaon’ny Malagasy. Ilain’ny vatana anefa ny menaka ary mba hampatsiro ny sakafo dia sarotra ho antsika efa zatra izany ny miala amin’izany. Ny tsara indrindra rehefa hampiasa menaka dia irony menaka vita amin’ny zava-maniry toy ny oliva irony ary tsy tokony hatao betsaka izany. Raha mila menaka fanampiny hodorany ny vatanao dia ny menaka ao amin’ny vatanao no ho dorany mora fotsiny. Rehefa mividy menaka dia manàna ihany koa fahazarana mamaky ireny hery azo avy amin'ny sakafo ireny. Jereo izay menaka tsy misy cholésterol satria io singa iray io dia mijanona any anaty lalan-drà ka miteraka aretina maro isankarazany. 

3.     Ny sakafo amin’ny boaty dia tsy tokony mpinamana loatra aminao raha mikasa hampihena ny vatanao ianao. Ireny sakafo efa vita mialoha ireny dia efa nampidirana singa tsy voajanahary mba hahafahana mitahiry azy ao anatiny ary ny sasany amin’ireo singa voanjanahary koa dia efa lanin’ny fotoana sy ny fomba rehetra nitehirizana azy tao. Koa raha efa hampihena ny sakafo hohaninao ianao dia tokony ho sakafo feno ireo otrikaina ilain'ny vatanao no haninao fa tsy sakafo efa zara raha misy izay ilainao. Tadidio fa ny sakafo vaovao no tena sakafo fa irony sakafo efa voavoatra mialoha ireny sdia famoky ny ankamaroany. 

4.     Ny voankazo no sakafo tokony hohaninao betsaka indrindra manaraka ny legioma. Izy ireo dia sady feno "fibre" (ilay singa tsy voapotika ao anatin'ny zava-maniry ka manampy ny olona amin'ny fandevonan-kanina, amin'ny fampiakarana ny tahan'ny siramamy ao anaty ra, ary amin'ny fampidinana ny tahan'ny "choléstérol") no sady "antioxidant" satria dia manala ireo karazana singa tsy mahasalama tadifitra any amin'ny vatan'ny olona. Ho an'ny voankazo mamy dia manome hery dia be izy satria ny siramamy dia manome hery ho an'ny olona rehefa reraka izy. Tsy lazaina intsony moa ireo karazana vitamina entin'ny voankazo isan-tsokajiny avy. Manampy anao tsy ho tratry ny tsy fanjarian-tsakafo, araka izany, ny fihinana voankazo rehefa manena vatana iny ianao. 


5.     Ny legioma, amin'ny maha zava-maniry azy dia betsaka "fibre" ihany koa. Manampy antsika hahalevona sakafo izy ary raha ho an'ny olona manena vatana dia tena tsara izy noho izy tsy betsaka kaloria. Raha mihinana legioma, araka izany, ianao dia sady kely ny lakoria miditra ao aminao no salama tsara koa ianao. Ny legioma araka izany no sakafo tokony hohanin'ny olona manena vatana betsaka indrindra sady tsy atahorany hisy fiantraikany ratsy na dia hanina betsaka aza. Ny proteina izay hita betsaka amin'ny legioma koa dia entin'ny vatana anmboarana sela vaovao hanoloana ireo sela efa misy ka izany no mahavaovao lalandava ary tsy mahamora antitra ireo olona mpihinana legioma.


6.    Ny ronono sy ny sakafo vita aminy toy ny dibera, yaourt, fromazy, sns dia feno vitamina sy sira mineraly isan-karazany (calcium, phosphore, zinc, potassium, magnésium). Tsara, araka izany, izy ireny indrindra ho an'ny olona manena tena (izay matetika manena ny sakafony nefa manetsika kokoa ny vatany) mba hahatonga azy ho ampy hery sy tsy ho tratry ny tsy fanjarian-tsakafo. Ny ronono anefa dia matavy ka tsara indrindra raha hay ny mandanjalanja izay fatra tokony ho lany.  

7.     Ny voa na “grains” dia isan'ireo sakafo tsara ho an'ny olona manena vatana sy te ho salama. Misy karazany maro azo isafidianana izy ireny ary samy manana ny mahatsara sy mampiavaka azy. Ny zavatra itambaran'izy ireny matetika dia ny fananany karazany proteina izay tena tsara ho an'ny vatana, ny fahafahany manala ireo singa ratsy misy poizina amin'ny vatana, ny fananany "fibres" betsaka, ary ny fisian'ireo karazana sira mineraly ao anatiny. Misy karazany vitsivitsy ireto izay hita eto amintsika na dia misy somary lafo aza ny vidiny: ny voana "sésame", ny voana "lin", ny avoine, ary ny voana "chia". 

8.     Ny hena fotsy sy ny trondro dia feno proteina ary araka ny voalaza tetsy ambony dia anisan'ny singa ilain'ny vatana amin'ny fanamboarana sela vaovao izany proteina izany. Rehefa manena vatana dia matetika ny olona no lasa toy ny antitra. Ny proteina izay hita amin'ny hena sy voankazo araka izany no manampy ny tavana amin'ny famoronana sela vaovao izy tanora kokoa mba tsy haharatsy endrika ilay olona manena vatana. Tsara araka izany ny fihinana trondro sy hena (fotsy raha ny tsaratsara kokoa) rehefa manena vatana. 


9. Ny siramamy dia tsy tokony hihavana loatra aminao raha mikasa ny hanena vatana ianao. Ny siramamy dia singa tena mora levonina ary minitra vitsy aorian'ny ihinanana azy dia efa voaovan'ny vatana ho hery izy. Raha mihinana siramamy ianao dia iny no ampiasain'ny vatanao avy hatrany rehefa mihetsika izy ka mihena, noho izany, ny singa hafa tokony hopotehiny ho lasa hery hoenti-miasa. Dia mazava ho azy fa hijanona ao aminao ireo sakafo izay tokony hopotehin'ny vatanao raha omano siramamy izay sady feno hery no mora levonina izy. 

10. Ny rano no zava-pisotro tokony ho namanao indrindra rehefa te hihena ianao. Tokony hihoatra ny 1,5 litatra isanandro ny rano laninao mba hanamora ny fandevonan-kaninao, mba hanala ireo singa maloto ao anatinao amin'ny hatsembohana rehefa manao fanatanjahan-tena ary mba hahanoana be anao loatra rehefa somary kely iny ny sakafo. Rano madio no tokony hosotroinao fa tsy rano-javatra mamy na misy gazy mba tsy hanampy indray ny siramamy sy ny rivotra ary ny singa tsy mahasalama ao anatinao. Tsara kokoa aza raha rano mafana no sotroinao rehefa te hihena ianao satria mandoro ny tavy kokoa ny rano mafana noho ny rano mangatsiaka. 

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Honoring the Departed: Betsileo Funeral Practices and the Heart of Fihavanana

Didy Folon'ny Fampihenana Vatana

Ireo zavatra 3 tsy tiako indrindra amin'ny asako