Zavatra azonao atao fanomezana ho an'ny hafa!
Zavatra azonao atao fanomezana ho an'ny hafa!
Tsy hitanao izay hatao fanomezana ho an'ny namanao na ny olon-tianao? Ireto ary misy zavatra maromaro azonao isafidianana izay inoako fa hahafaly azy ireo. Mialoha ny hisafidiananao izay tokony homenao aloha dia tsara raha fantatrao ny zavatra tiany na mety ho tian'ilay olona toloranao zavatra.
1. Ranomanitra
Raha olona tia ranomanitra ilay olona dia manana safidy malalaka tsara ianao amin'ireo karazana ranomanitra misy eny an-tsena. Misy amin'ny vidiny isankarazany koa ireny ka tokony ho tafiditra foana ny teti-bolanao na ambany izany na ambony.
2. Déodorant
Misy karazany betsaka ireo "déo" eny an-tsena ary raha fantatrao fa tia mampiasa an'ireny ilay olona dia azonao atao tsara ny manolotra izany ho fanomezana ho azy. Raha tia irony somary voajanahary irony izy dia manana déodorant vita amin'ny alamo nafangaro tamin'ny voasarimakirana izay tena tsara fofona tokoa ny Homeopharma.
3. Boky
Tsy dia betsaka ny manao fanomezana boky eto amintsika satria tsy dia mahaliana ny olona ny mamaky boky saingy fanomezana tsara azo tehirizina mandrakizay ny boky. Azonao atao ho boky fampianarana izay mety hitondra hevitra hanampy ilay olona izany (toy ny hoe fianarana mahandro, fitondrana tokantrano, sns), fa azonao atao boky tantara izay mifono anatra sy lesona ihany koa. Azonao atao tsara ny manome boky manana lohateny mifanaraka amin'ilay olona sy ny fety ankalazainy. Faly ery aho tamin'ny fitsingerenan'ny taona nahaterahako raha nomen'ny olon-tiako ilay bokin'ny Dannielle Steel mitondra ny lohateny hoe "Happy Birthday". Ny Baiboly koa dia fanomezana tena tsara sady misy lanjany ara-panahy betsaka fa andramo anie e!
4. Akanjo sy kiraro
Efa tsy zoviana amintsika rehetra fa azontsika atao tsara ny manolotra akanjo ho an'ny hafa rehefa hanome fanomezana. Mila fantatrao tsara anefa ny haben'ilay olona sy ny karazan'akanjo tiany mba tsy handiso fanantenana azy sy ianao. Tadidio fa raha antonona azy ny kiraro pointure 40 amin'ny marika Adidas dia mety tsy ho tafiditra azy ny kiraro mitovy pointure amin'iny raha marika Nike no omenao azy. Aza hadino koa ny mijery izay fitafy mifanaraka amin'ny toetr'andro ka hahatonga ny fanomezanao ho tena tian'ilay olona.
5. Fanampin'akanjo
Ireny ilay antsointsika hoe "accessoires" amin'ny fiteny andavanandro. Ny mahatsara azy ity dia izy tsy mba mifidy habe matetika fa rehefa fantatrao ny karazan-javatra manendrika azy sy tiany dia efa ampy izay. Azonao atao tsara ny manome fehikibo, fehitenda, na famantaranandro. Raha ho an'ny vehivavy manokana dia vitsy izany vehivavy tsy ho tia poketra izany ka manana safidy betsaka ianao amin'izany. Ireny "porte feuille" ireny dia tena betsaka azo isafidianana na ho an'ny lahy na ho an'ny vavy ka anao ny safidy.
6. Firavaka
Manana safidy betsaka ianao amin'izay firavaka hitanao fa tian'ilay olona sy mifanandrify amin'ny teti-bolanao. Misy ny peratra, rojo, ravaka, ary kavina izay sady tsara no mety amin'ny rehetra.
7. Haingon-trano
Fantaro hoe manana efi-trano na birao manokana ve ilay olona tianao homena fanomezana. Azonao atao tsara ny mividy famantaranandro hahantony ao an-tranony ary dia ho tsaroany foana ianao (efa nahazo iray tamin'ny namako aho taona maro izay ary mbola ao ankehitriny). Tsy ratsy ihany koa ny manolotra "nounours" na sary hapetrany ao amin'ny efitra fandriany. Eny fa na jiro harehiny isaky ny hariva aza dia mety hahatsiarovany anao mandrakizay. Raha manana birao izy dia azonao omena irony fitoerana penina na sary apetaka irony.
8. Trousse de maquillage na trousse de toilette
Raha vehivavy tia mikarakara tarehy sy mandany fotoana hikarakarany ny vatany no tianao homena fanomezana dia azonao atao tsara ny mikaroka izay marika tiany ary dia manome izany ho azy.
9. Fitaovana fampiasa andavanandro
Mino aho fa fantatrao ny zavatra fanaon'io olona io andavanandro ary dia fantaro avokoa izay fitaovana ilainy. Mpianatra izy; mila kitapo sy "trousse" izany. Mpiasa mitondra sakafo atoandro izy? Omeo harona fitondrana sakafo tsara tarehy izy. Mpanao fanatanjahan-tena izy? Omeo fitoeran-drano tsara tarehy na ipod hihainoany mozika izy. Na irony zavatra toy ny "agenda" sy "notebook" ireny dia tsy ampoizinao fa mety tena hahafaly ilay namanao.
10. Ny fitaovana ara-teknolojika
Mandroso dia mandroso ny sehatry ny teknolojia eto Madagasikara ary misy maro azo isafidianana izany raha te hanone fanomezana momba izany ianao. Azonao atao ny manome finday, tablette, solosaina sy ny toy izany araka izay teti-bolanao.
11. Fitaovana voatokana ho an'ilay olona
Malaza dia malaza ankehitriny ny "articles personnalisés" ka azonao atao tsara ny mampanamboatra kaopy, akanjo, haingon-trano sns misy ny sarin'ilay olona na misy izay hafatra tianao ho azy.
12. "Services"
Tsy voatery ho zavatra mivaingana no omenao azy fa raha fantatrao fa tia misakafo izy dia omeo fahafahana misakafo amin'ny toeram-pisakafoana tiany indrindra. Raha tia manao tarehy izy dia azonao ividianana an'izany mialoha any amin'ny toerana fanaovana tarehy. Toy izany koa ny "massage" na fitsangatsanganana ary ny "services" maro hafa isankarazany.
Mazotoa ary satria sambatra kokoa ny manome noho ny mandray!

Commentaires
Enregistrer un commentaire