Ahoana no hazarana ny zazakely hampiasa pot?
Ahoana no hanazarana ny zazakely hampiasa pot?
Tianao ho zatra mampiasa pot ny zanakao saingy tsy fantatrao izay fomba hahatongavana amin'izany? Ireto no fomba nampiasaiko tamin'ny zanako izay hitako fa nahomby tokoa.
1. Zaro mikaka amin'ny fotoana mitovy izy dieny mbola kely
Mbola latsaky ny telo volana ny zanako dia efa fantatro ny fotoana fikakazany. Rehefa fantatrao ilay fotoana (ohatra hoe maraina, na atoandro, na hariva) izay tsara kokoa raha amin'ny fotoana maha ao an-trano anao dia ezaho mba tsy hiova amin'iny. Ahoana moa no hitazonana an'iny ora iny? Rehefa tonga iny fotoana iny dia efa misy zavatra vonona tokony halefany ao raha salama tsara izy fa indraindray noho izy tony tsara sy tsy voahetsiketsika dia mety tsy halefany izany. Ampikakazo izy rehefa tonga izay fotoana izay. Hosory menaka ny kibony ary ory moramora manaraka ny fihodin'ny famantaranandro. Avy eo dia ingao mora ny feny roa ary somary atoseho miakatra manery ny kibony. Raha efa vonona ao ilay zavatra tokony halefany dia hivoaka avy hatrany iny. Dia toy izany koa ny ampitso, ary rehefa zatra ny vatany dia handeha ho azy izany amin'ny fotoana mahazatra.
2. Atombohy vantany vao mahay mipetraka izy
Aza miandry ny zaza hahay miteny vao hanazatra azy hampiasa pot satria ho lasa zatra ny manao ao anaty couche izy ka ho kamo hampiasa pot. Ataovy tsapany hoe tsara ery izany tsy mihosina maloto intsony izany ka na izy aza ho sadaikatra manao maloto ao anaty couche. Vantany vao mahay mipetraka tsara (6 volana eo ho eo) izy dia apetraho eo ambony pot rehefa tonga ilay fotoana mahazatra. Tsy ho azonao avela irery eo anefa izy amin'ny maha zaza azy fa mila anao miambina mba tsy hianjera.
3. Ataovy pot ahazoany aina tsara sy tsara tarehy
Mila mahazo aina tsara izy vao mety apetraka eo fa raha zavatra mankarary ny feny na mampatahotra azy sao hampianjera na tsy misy hiankinany dia tsy ho tiany mihitsy. Indraindray manko dia mila mijanona eo ela mihitsy ny zaza izay vao mahalatsaka izay tokony hataony ka raha tomany sy fahasorenana no misy dia tsy ho vita mihitsy izay hatao eo. Ezaho koa mba ho pot tsara tarehy sy manaitra azy no ampiasainy ka ho tiany ery ny manatona an'iny isaky ny tonga ny fotoana.
4. Omeo izay zavatra tiany izy rehefa eo
Mazava ho azy fa tsy homenao zavatra tsy mety aminy izy fa izay kilalao tiany na zavatra fantatrao fa mety no homenao azy. Raha tia mijery télé izy dia ampijereo izay D.A. tiany indrindra. Azonao atao eo aminy avokoa izay kilalao tiany saingy ezahina mba tsy ho zavatra hampiondrika azy amin'ny tany ka hahatonga azy haniry hiala eo ambony pot izany. Ataovy zavatra azony tazonina tsara na zavatra mitovy haavo aminy raha toa ka mavesatra.
5. Aza kamokamo
Mila ezaka be ny manazatra azy amin'ny voalohany satria indraindray dia mila mamerina azy eo ambony pot in-telo ianao ao anatin'ny adiny iray vao vita izay tianao hataony. Raha amin'ny pipy aza dia tena tsy tapaka ianao ny mametraka azy eo isaky ny 15-20 minitra ambaram-pahafantatrao izay tena fahazarany. Mahafinaritra anefa ny zaza tia madio ka rariny loatra raha mandany fotoana kely isika manazatra azy hampiasa pot. Rehefa zatra izy dia ho hitanao fa na izy aza tsy ho tia manao maloto ao anaty couche intsony. Ny ahy izay mbola latsaky ny herintaona fa tena ataony izay fomba hahafantarako fa te hanao izy na dia mbola tsy mahay miteny aza mba tsy hahatonga an'ilay izy ao anaty couche.
6. Resaho izy ary ankasitraho
Ampianaro izy hoe "kaka" sady manena ianao dia ho fantany izay tianao ho lazaina. Rehefa manao izy dia dokafy hoe "izay! kaka! kaka! Bravo!". Rehefa averinao foana izay dia fantany ny atao hoe kaka. Toy izany koa ny pipy saingy somary mila ezaka kokoa satria tsy maintsy atao matetika ka mila fotoana malalaka. Azonao atao amin'ny alalan'ny feo toy "tsss" ny pipy ary dokafanao koa izy rehefa manao dia ho fantany miandalana eny ihany izany.
Mahereza, ary, fa nandalo teo daholo vao nahalehibe zaza! :)

Commentaires
Enregistrer un commentaire