Lesona 10 noraisiko rehefa avy nijery ilay horonan-tsary "Do you believe?" aho!
Lesona 10 noraisiko rehefa avy nijery ilay horonantsary "Do you believe?" aho
1. Manana olana avokoa ny olona rehetra
Na dia tsy misoratra eny amin'ny handrin'ny tsirairay aza ny olana lalovany dia tena samy manana ny sedrany ny olona. Ny hamafiny sy ny fomba fiatrehana azy no tsy mitovy fa ny olana dia misy foana. Ny an'ny sasany mety ny hohanina no tsy misy; ny sasany kosa mety ny fialan-tsasatra nomanina no tsy azo natao noho ny tsy fisian'ny fotoana na tsy fahasalamana. Olana avokoa izany! Noho izany, tsy ianao irery no miady ka mitrakà!
2. Tsy mbola io adinao io no mafy indrindra
Tsy misy dikany io adinao io raha mitaha amin'ny mahazo ny hafa. Raha mbola mahay mamaky teny sy afaka mahita ny lahatsoratra toy izao dia mbola sambatra lavitra noho ny olona sasany any lavitra any ianao. Samy manana ny azy ny olana saingy mino tanteraka aho fa tsy ny ahy no mafy indrindra. Ka raha mbola misy fanantenana ny hafa, nahoana moa no tsy mba hanana izany aho? Ny Tompo rahateo dia efa nitondra ny mafy lavitra noho ny entintsika mba hanamaivanana antsika, ka nahoana no tsy havela hiaraka amin'izay efa resiny ny enta-mavesatra?
3. Mifalia raha mbola misy honenana sy hohanina ary misy mitia
Tsy vitsy ireo olona tsy manan-kialofana ka rehefa avy ny orana dia mandry amin-drano. Tsy vitsy ny maty mosary ary miaritra mahita ny zanany miala aina noho tsy fisian'ny sakafo. Maro ireo mamoy fo noho ny tsy fananana na iza na iza hianteherana. Fa izaho sy ianao kosa, manana an'i Dada sy Neny, zoky, zandry, vady, zanaka, havana, namana izay tsy mahafoy fa manontany ny momba antsika isanandro. Mifalia, tena mifalia ary mahaiza mankasitraka satria sambatra loatra isika!
4. Miasa amin’ny alalan’ny olon-kafa Andriamanitra
Andriamanitra dia tsy hita maso saingy manana ny zava-boariny Izy ho fitaovam-piasany. Tsy andron'ny mana intsony izao fa ireo olona manodidina anao hitanao isanandro ireo no irahiny hanampy anao. Tadidio fa na ireny olona adaladala manao zavatra mampihomehy eny an-dalana ireny dia mety hampiasain'Andriamanitra hanala ny fahasorenanao. Izay no atao hoe aza manambany ny hafa izany fa tsy fantatrao mihitsy ny antom-pisian'iny olona iny eo amin'ny lalam-piainanao.
5. Meteza ho irak’Andriamanitra
Araka ny efa voalaza teo dia miasa amin'ny alalan'ny olony ny Tompo. Raha hitady olona ihany Izy, inona no olana raha mba izaho sy ianao no manao izany? Misy ketraka any ho any, ndeha hizara tsiky sy fanantenana ho azy isika fa tsy hanenji-dresy sanatria. Misy tsy manana atsy ananona atsy, maninona raha mba mizara aho? Misy sahirana ao, ndeha mba manampy ianao! Tadidio fa 80 taona ihany no eto isika ka nahoana raha mba mampiasa izay fotoana kely hametrahana tantara tsara e?
6. Mahay ny zavatra rehetra Izy
Tsy misy tsy hainy na ny manangana ny maty aza. Koa raha vitany ny nanampy ahy tamin'ny olako rehetra, nanasitraka ny marary, nampionona ny maty havana, sns nahoana no tsy ho vitany ny hanampy anao? Tena mahay fahagagana ny Tompo ary tsy azo refesina ny fahaizany fa ndeha hatolotsika azy ny ho avintsika dia ho azontsika izay sahaza antsika.
7. Eo foana izy na mandritra ireny ady ireny aza
Tsy hoe mafy ny nahazo anao dia nanadino anao akory Izy. Tsia! Teo izy ary tadidio fa tsy toy izao ianao raha tsy teo Izy. Teo Izy nandahatra ary teo koa Izy nanampy. Teo Izy nankahery ary mbola hoe eo foana Izy hitantana. Ireny zava-mitranga ireny dia nataony mba hanomezana lesona antsika saingy tsy tsapantsika izany raha tsy efa tapitra ilay trangan-javatra ka manaiky hanokatra ny masontsika hijery isika ary ho tonga saina ny amin'izay mety ho antony.
8. Manana ny anjara masoandroko aho
Na inona na inona mitranga dia manana ny anjara masoandroko aho, anjara izay omena ahy fa tsy vokatry ny heriko akory saingy ilana ny ezaka ataoko mba hahazoako azy. Hoy ny Baiboly hoe: "Ny fitahian'i Jehovah no mampanankarena ary tsy azon'ny fisasarana ampiana izany." Ilaina ny miezaka saingy rehefa tena mino ny Tompo dia omeny mihoatra noho izay eritreretina foana. Raha tsy miezaka kosa anefa dia ho sarotra ny hahazo izany satria Zanahary tsy mitahy mandry.
9. Mizarà foana
Mahasambatra lavitra ny mizara noho ny mandray. Tsy voatery ho materialy fa na fitiavana, tsiky, fanantenana, tenin'Andriamanitra, sns dia natao hozaraina. Tsy dia nisy nanana ny ampy amin'ny lafiny rehetra ny olona tao anatin'ilay horonantsary "Do you believe?" saingy ny fahaizan'izy ireo nizara dia ampy nahavonjy azy ireo rehetra tamin'ny faran'ny tantara.
10. Mifandraisa tsy tapaka amin'Andriamanitra
Raha amin'izao ady sarotra amin'ny fiainana izao no tsy mifandray amin'ny Tompo dia sarotra ny tsy hampanaonao foana na hampamoy fo. Noho izany dia tsara ny mifandray Aminy amin'ny alalan'ny Baiboly sy ny vavaka.
Raha Krsitiana ianao dia horonan-tsary iray anisan'ny iriko indrindra raha jerenao ilay hoe "Do you believe" fa ao no hahitanao ny fiasan' Andriamanitra sy ny sedra rehetra atrehintsika olombelona. Mahereza ary mandrese!

Commentaires
Enregistrer un commentaire