Ireo fomba ataoko hitantanako tsara ny fotoanako!!!
Ireo fomba ataoko hitantanako tsara ny fotoanako
1. Mampiasa "planbook"
Ny "planbook" dia boky iray (tsara kokoa raha vidina vita) misy ny daty rehetra mandritra ny taona ka azonao anomanana izay zavatra hataonao mandrindra ny andro, herinandro, ary volana iray manontolo. Manampy ahy tsy hanadino ny zavatra tokony hataoko ireny ary indrindra rehefa vakansy ka mila manomana zavatra maro aho dia fantatro hoe andro manao ahoana no mbola misy malalaka. Ohatra hoe: "alatsinainy: miantsena; talata: mihaona amin-dranona sy mitsidika an-dranona...". Rehefa tery ny fotoana dia mila fahaizana manokana ny fandaminana izay tokony hatao rehetra. Hoy izay olona nampiofana anay izay hoe: "ireo zavatra ataonao ireo dia toy ny vato sy fasika be dia be. Ny vato dia ireo zavatra tena mandany fotoana nefa tsy maintsy atao; ny fasika kosa dia ireo zavatra madinidinika izay azonao asisika eny afovoany eny. Raha ny fotoana ananantsika doa toy ny sobika iray. Raha fenointsika fasika ny sobika dia tsy hiosy toerana ho an'ireo vato ngeza fa raha ny vato no ataontsika ao mialoha dia mety mbola hisy toerana ho an'ireo fasika."
2. Manao "to do list"
Ny "to do list" dia mitovitovy amin'ny teo aloha ihany saingy atao isanandro izany. Amin'ny maraina no fanaovana azy ary ampiarahina amin'ny fametrahana ny tanjona mandritra ny andro. Tsara raha atao amin'ny taratasy maivana izay azo entina manaraka ny tena mandritra ny tontolo andro izany. Tsara ery ny manisy ilay marika "check" manambara hoe vita ilay zavatra isaky ny mahavita iray!
3. Mametraka "priorité"
Tsy dia misy loatra izany hoe fotoana ampy izany fa ny fahaiza-mandamina no entina mitantana ny fotoana sy ahavitana zavatra betsaka. Raha oharina amin'ny vato sy fasika toy ny teo aloha indray ny zavatra manan-danja sy izay tsy voatery hatao dia mazava ho azy fa ireo vato (ireo tsy maintsy atao noho ny antony manokana) no tsy maintsy vitaiko aloha vao afaka manao izay mety mahafinaritra ahy na ny hafa (fasika) aho.
4. Mametraka tanjona mazava
Amin'ny maraina dia fanaoko ny mametraka tanjona momba ny tontolo androko. Ohatra: "tokony hahavita ny asako rehetra aho ary mila miresaka amin'ny lehibeko momba ny zavatra anankiray omaniko". Iny tanjona iny no entiko manoratra ilay "to do list" ary iny koa no entiko manao jery todika ny androko amin'ny hariva.
5. Manao jery todika sy mankasitraka ny tenako
Rehefa mifarana ny tontolo androko dia mijery ilay lisitra nataoko aho ary mijery izay misy na tsy misy "check" hahafantarako na vitako avokoa ny zava-dehibe na tsia. Matetika dia misy zavatra tsy vitako foana saingy rehefa vita aloha ny "vato" rehetra dia efa zava-dehibe izay. Faly ery rehefa mody rehefa mba vita avokoa iny ny zavatra tokony hataoko rehetra.
6. Manalavitra izay mety ho fanelingelenana
Mandritra ny tontolo andro dia tsy ilaozan'izay fanelingelenana mandalo manakana ahy tsy hahavita ireo asako. Mifanena amin'ny namako aho dia mila miresaka kely. Mahita horonan-tsary mahaliana aho ary te hijery an'iny sy hizara an'iny amin'ny hafa. Raha manao facebook moa aho dia te hijery izay fiainan'ny hafa eo foana. Ny hafatra sy ny antso tonga avy amin'ny olona izay tsy mahalala hoe miasa mafy aho dia tena mahatonga ahy hiadana ka tsy hahavita ny asako haingana. Ny fanaoko? Tsy mandray finday aho amin'ny fotoana fiasana. Asiako izay mety hilaiko rehetra koa ao amin'ny efitra iasako mba tsy hivoahako matetika ka hahatonga ahy ho tratry ny fakam-panahy. Ary farany, tsy manao facebook aho rehefa any am-piasana.
7. Tsy manao zavatra maro indray miaraka
Rehefa betsaka ny zavatra tokony hatao dia matetika isika te hanao zavatra maro indray miaraka. Vao mainka manatara zavatra anefa izany. Ny tena tsara dia manao zavatra iray faran'izay haingana mba hahafahana manao zavatra hafa indray avy eo.

Commentaires
Enregistrer un commentaire