Fiainana izany...
Ny enina ambin'ny folo sy roa arivoko...
Tsy nisy nilazako ity afa-tsy ireo namako akaiky saingy te hizara ny fiainako aho mba hankahery ireo mbola ao anaty ady mafy.
1 janoary 2016: taona fahadimy tao amin'ny ENS aho ary eo am-panaovana ny fikarohana hamaranana ny fianarana. Tany Ihosy aho no nankalaza ny faran'ny taona sy taona vaovao. Inona moa izay hoe mankalaza eo fa miandry izay havoakan'ny ampitso fotsiny. Teo an-tongom-pandrian'ny reniko izay tsy salama mafy aho no nanao "fety" sady nivavaka mafy ny mba tsy hahalasa azy, farafaharatsiny mba tsy ao anatin'ny fety satria ho mafy loatra izany hoe manaman-jo izany nefa ny olona mampaneno mozika sy mandihy. Ranomaso mangina no niainako ary vavaka ny amin'izay hanomanan'Andriamanitra ahy hiatrika ny mangidy indrindra no namenoako ny androko. Tena nisaina ny ora sy ny minitra tamin'izany. Lasa ny 31 Desambra, faly fa vita ny taona; lasa koa ny 1 janoary; soa fa vita iny ny fety. Dia toy izany foana, nangidy ary tena mafy. Ny fianarana moa dia nohadinoina kely mihitsy.
Herinandro vitsy taorian'izay dia niverina aty Antananarivo aho satria tsy maintsy nanohy fianarana. Mafy izany mamela reny tsy salama izany saingy ny fianarana tsy maintsy atao.
Volana febroary: nisy namako niantso ahy mba hanao asa fandikan-teny: frantsay sy anglisy no teny nampiasaina. Tsy mbola nahay niteny frantsay aho 3 taona talohan'io na dia efa nanomboka nahazo ny zavatra rehetra reko aza. Nisy mpiara-monina taminay komoriana ka rehefa niresaka taminy aho vao mba nanomboka niteny frantsay. Indro tokoa fa natao ny "interview", natomboka ny asa ary vazaha tsy mahay miteny frantsay sy mpitsabo tsy mahay teny anglisy no nandikana teny. Fampiofanana momba ny fitsaoboana avokoa no natao. Roa izahay no niara-niditra niasa ary natambatra izahay satria samy tsy mbola nahay tsara. Roa andro taorian'ny nanombohan'ny asa dia voaroaka ilay namana iray satria tsy nahay izy. Izaho no sisa, nandeha irery. Mbola tadidiko ny "lecture" na "conférence" voalohany nadikako teny anglisy amin'ny teny frantsay. Nahatsapa fahombiazana aho. Voalohany tao anatin'ny taona. Dia mba nahazo vola kely teny, tena kely saingy nisy handoavana ny saran'ny fidiranana eny amin'ny anjerimanontolo sy hanampiana ny sakafo. Dia nitohy teny ny asa isaky ny 2 volana ka niasa ny andro Pentekosta sy ny alatsinain'iny.
Volana jona: vita ny asa tao amin'ny Merci Ships ary dia tsy hisy intsony ny vola kely. Nody nanao 26 Jona tany Ihosy. Fahoriana, alahelo, sento, tsy fisiana, ary fanahiana no niainana tany. Tonga ny volana jolay ary tsy maintsy niverina taty Antananarivo indray hanohy ny fianarana. Ranomaso no nosotroiko tany anaty taxi-brousse satria olona tsy salama mamoy fo no nilaozana ary tsy nisy na vola hatao hiatrehana ny fiainana mba nentina fa rehefa tonga aty Antananarivo vao hitady asa hameloman-tena.
Volana jolay: Talohan'ny nialako tany Ihosy dia tapaka tanteraka ny hevitro fa tsy maintsy hikarama mafy aho na dia tsy mbola vita aza ny fianarako ary nampanantena ny reniko aho fa tsy maintsy ho tafita indray andro any ka hifarana ny fahorianay. Nampianatra cour aho in-droa isan-kerinandro ary tena kely ny karama saingy mba ampy nataoko laoka (satria ny vary dia efa nentina avy any Ihosy) aloha iny. Namboatra CV sy taratasy fangatahana asa aho ary noteteziko ny ankamaroan'ireo anjerimanontolo tsy miankina eto Antananarivo. Nisy ny nandray ny taratasiko; nisy kosa ny tsy dia nampisy fanantenana. Tena tapa-kevitra nihoatra noho izay azoko novisavisaina anefa aho ka feno fanantenana sy vavaka.
Volana Aogositra: Nivoaka ny vatsim-pianarana ary mba nisy kely aloha iny. Voaantso hanao asa fandikan-teny tany Ranomafana aho saingy nisy fanadinana natao vao raikitra izany. Nahay daholo ny mpifaninana tamiko saingy tsy maintsy nanantena aho.
Volana Septambra: Nitohy ny fampianarana cour any an-tranon'ny mpianatra. Nandeha tany ranomafana aho nanao ny adina an-tsoratra sy am-bava ka voaray hiasa tany nandritra ny 3 herinandro. Sendra nahita filazana fitadiavana asa tamin'ny gazety koa aho talohan'io ka nandefa fangatahana ary voaantso hiadina am-bava. Voaray ihany koa aho tamin'io asa io ka ny volana Oktobra no raikitra fa hanomboka. Niantso ahy ny ISCAM fa ho raisina ahmpianatra taona voalohany sy faharoa aho raha afaka saingy efa raikitra tany Ranomafana aho. Volan'ny fandresena iny ary betsaka ny fahombiazana azoko. Niposaka tsikelikely ilay andro tena efa nanjombona.
Volana oktobra: nanomboka ny asa vaovao ary nahafinaritra. Volam-pahombiazana tanteraka. Noenjehina ny famitana ny fikarohana hamaranana ny fianarana satria tsy maintsy natao ny Desambra ny fanohanana am-pahibemaso ny vokatry ny fikarohana.
Volana novambra: henjana ny fianarana saingy nandroso izany ka nahafinaritra.
Volana desambra: Soa ihany fa nanomboka aloha kely ny fialan-tsasatry ny Krismasy ka afaka nifantoka tamin'ny fianarana. Vita ny soutenance. Fahombiazana be! Tena hoe izany ka fahombiazana. Tsara fiafara ny taona! Nody tany Ihosy hanao taom-baovao saingy indrisy fa tsy fety no natrehina tany. Nitovy tsy nisy valaka tamin'ny fiandohan'ny taona ny fiafarany. Tebiteby fatratra no niainana satria tsy salama ny zandriko ary niandry ny taona vaovao ho vita fotsiny dia haiditra hopitaly izy. Mety hoy ny olona hoe tsy dia tokony ho olana be izany fa ho ahy kosa dia tena olana be satria amin'ny maha tsy salama ny reniko dia izaho no tompon'andraikitra voalohany amin'ny zava-mitranga rehetra. Tena natahorana ihany koa ny aretiny ka tsy nisy izay tsy nandalo tao an-tsaiko ny ratsy rehetra. Tsy mba nisy tsiron-tsakafo re fa ahiahy no nameno ny faran'ny ary vavaka toy ny hatrizay hatrany no mba hany nampitony ireny tebiteby ireny. Dia toy izany ny taona 2016 tamiko. Ady ary ady hatrany. Mifandimby ny rahona sy ny masoandro saingy ny aloka no betsaka kokoa. Mafy anie izany ianao miaiky amin'ny Tompo fa vonona ny amin'ny mafy indrindra izany raha izany no sitrapony e. Mangidy anie izany ianao mipetraka eo an-tongotry ny fandrian'ny olona akaiky anao ka manisa hoe firy andro na firy ora no anananao miaraka aminy e. Saingy vitako ireny satria natanjaka aho, ary natanjaka aho satria ny Tompo nampatanjaka ahy.
Tsy sanatria hitarainako no nizarako izany fa mba hankaherezako izay mbola miaina izany. Tsy ianao irery no miady ary tadidio fa nateraka ho mpandresy ianao!

Commentaires
Enregistrer un commentaire