Izaho anio sy izaho rahampitso...
Izaho anio sy Izaho rahampitso...
Manomboka ny taona, dia avy eo misasaka. Tsy hitahita dia tonga ny lohataona ary tsy misy toy izay dia milatsaka ny orana. Manembona krismasy ny andro ary indro mifarana indray ny taona. Dia izay ary toy izay foana. Mba efa nisy fotoana ve ianao nanao jery todika ny taonanao rehefa iny mifarana iny ny taona ka nahatsapa fa tsy nisy fiovana akory ny fiainanao? Ny tenanao fotsiny no mihaantitra ary ny taonanao ihany no nitombo? Efa nisy fotoana ve ianao namerina ny eritreritrao na koa ny nofinao taona maro lasa izay ka indro hitanao fa mbola mijanona ho nofy izy ireo ankehitriny? Fotoana izao hanovànao izany ka handrosoanao mankany amin'ny tsaratsara kokoa. Misy torolalana vitsivitsy ireto izay nanampy ahy hamela ilay toetra manonofy lava ka nahatonga ahy hazoto hiasa ho amin'ny fahombiazana. Tsy sanatria akory hifaninana amin-dRakoto na amin-dRabe no antony fa hiovanao ho ilay olona tsaratsara kokoa noho ianao androany.
1. Fantaro ny zavatra tianao
Makà fotoana dia diniho izay zavatra tena tianao. Te ho lasa olo-malaza ianao? Jereo hoe ny inona no anananao traikefa kokoa: politika, mozika, hira, na koa hoe asa? Te hanana itsy asa itsy na izatsy karazana fiara izatsy ianao? Fantaro ary raiketo ao am-po izany. Maniry hiala amin'ny toetra izay efa mampitaraina ny vady aman-janakao ianao saingy tsy mety? Manapaha hevitra dia ampio vavaka fa vitanao izany. Tadidio fa tsy misy tsy vita rehefa atao.
2. Manonofisa
Eny! Tena hoe manonofisa. Akipio ny masonao dia alao sary an-tsaina izany hoe ianao tonga amin'ny tanjonao izany. Hanampy anao hiezaka izany satria fantatrao fa izany no atao hoe fahombiazana. Alao sary an-tsaina izany hoe ianao manana ny mari-pahaizana mba irinao izany, izany ianao manana fahaleovan-tena ara-bola izany, izany ianao mitondra ny fiara tianao indrindra izany, na koa hoe izany ianao mitsidika ireo toerana tianao haleha eran'izao tontolo izao. Mbola tsara lavitra noho izany ny mandinika ny firindran'ny fifandraisanao amin'ny hafa sy ny fitsiriritan'ny olona anao rehefa manana toetra mendrika ho modely ianao. Tsara anie izany e! Eny tena tsara...
3. Mametraha tanjona
Hoy i Washington Denzel hoe: "ny nofy tsy misy tanjona dia mijanona ho nofy ihany". Mino aho fa tsy misy ho afa-po amin'izany hoe hijanona ho nofy ihany ny faniriantsika izany isika. Mila mametraka tanjona isika, tanjona izay azo tratrarina tsara ary apetraka ao anatin'ny fotoana voafetra. Ny fahatratrana io tanjona io dia tokony ho azo refesina tsara ary azo anaovana jery todika rehefa tapitra ny fe-potoana. Ohatra: "ato anatin'ity enim-mbolana voalohany ity aho dia hahavita ny antsasaky ny dingana tokony harahiko amin'ny fikarohana ataoko". Na koa hoe: "amin'ity taona ity aho dia mila manana trano". Aoka mba ho tanjona mazava tsara ary azonao arahina tsara no tanjona apetrakao. Tsara kokoa raha asianao ny lisitr'ireo zavatra mila tanterahinao ny tanjonao mba hahalalanao ny tokony hatao amin'ny fotoana rehetra.
4. Tanteraho ireo zavatra mila ataonao
Raha maniry ny hividy trano fonenana ianao dia fantatrao tsara fa mila manangona aloha. Izany dia tokony ho an'isan'ireo hery mibaiko anao hifehy tena tsy handanindany foana amin'ny zavatra tsy dia ilaina. Raha mila mamita ny fianaranao ianao dia fantatrao tsara fa tsy afaka mandany fotoana miaraka amin'ny namanao. Dia toy izany foana. Ny fahombiazana iray eo amin'ny fiainan'ny olona dia maintsy misy tambiny avokoa, misy vidiny ireny ary izany no ilàna fanapahan-kevitra sy fanomanana mialoha. Tsy tokony ho tampoka aminao ireny sedra holalovanao ireny fa tokony ho efa tsinjonao dieny nametraka ilay tanjona ianao.
5. Mifeheza tena ary mahaiza mifehy fotoana
Ny fakam-panahy dia mahery saingy matoa ianao nanapa-kevitra dia tokony hahery noho izy. Tsy dia natao holalaovina ny fakam-panahy ka tsara kokoa raha andosirana dieny mbola tsy misy. Rehefa fantatrao, ohatra, fa tsy tokony hihinana sakafo betsaka ianao noho ny tanjonao izay hanatsara ny fahasalamanao dia aza manatitra ny namanao misakafo any amin'ny toeram-pisakafoana. Ny fotoana koa dia zavatra iray sarobidy noho volamena izay nefa tsy dia haintsika ny mitantana azy. Tsy maintsy mianatra izany anefa isika raha te hahita fahombiazana amin'ny fiainana. Mamy anie izany mijery horonan-tsary miaraka amin'ny namana izany e! Fy anie izany miara-mitsangantsangana amin'ny olon-tiana izany e! Saingy rehefa tsy maintsy mijanona eo ambony birao miasa dia tsy maintsy mijanona. Aza miandry olona hanasazy anao vao hampiasa ny fotoananao ho amin'ny fahombiazana fa mianara mifehy tena dia handroso ho any amin'ny tsaratsara kokoa ianao.
6. Manaova jery todika
Aza avela ny hafa no haneho hevitra momba anao vao ho fantatrao izany. Fantaro ny niaintombohanao dia refeso ny misy anao ankehitriny. Ivereno hoe tanterakao ve ireo izay tokony ho nataonao ary raha tsia, taiza ny lesoka. Aza miandry amin'ny farany vao manao jery todika sao mbola misy azo hatsaraina eny an-dalana fa manaova jery todika matetika. Aza kivy koa raha nisy tsy nety fa mahaiza maka lesona avy amin'ireny fahadisoana ireny. Tohizo ny tsara ary ovay ny ratsy. Andramo ireo dia ho hitanao fa tsy ho ianao androany io intsony no ho ianao rahampitso. Matoa vitan'ny hafa dia vitanao koa ny mihatsara; ary tadidio fa ny zavatra tsara indrindra azonao atao dia ny manova io tenanao io ho tsaratsara kokoa amin'ny ho avy.
Sedera Ramadinirina
31/01/20

Commentaires
Enregistrer un commentaire