Ny fahantrana
Fahantrana hoe?
Malagasy aho ary mino aho fa malagasy toa ahy koa ianao matoa afaka mamaky izay soratako. Teny anisan'ny faheno indindra eto any hoe "mahantra", "fahantrana", "mampahantra" ary "nampahantraina'. Tsotra ny antony: mahantra isika malagasy. Isika, hoy aho, satria anisan'izany izaho ary mety ho ianao koa. Mahantra ny Malagasy! Indrisy fa dia mahantra tokoa! Misy ny milaza fa manao izay hampahantra ny tenany isika ary maro amintsika no mino fa ampahantraina isika.
Indramiko kely ilay teniko tamin'ny lahatsoratro teo aloha hoe "ao an-tsaina ny fahantrana'. Raha io no jerena dia tsy tokony hahantra avokoa isika satria samy manana ny sainy ary io no tiako hotarihana ny saintsika izay leo an'ilay teny hoe fahantrana toa ahy koa. Andeha hatao hoe fandrosoana raha mba mety satria ilay fahantrana dia "état" fa ny fandrosoana sy tsy fandrosoana dia "mouvement". Andeha tsy hatao hoe mahantra isika fa mba hatao hoe tsy mandroso ka rehefa tonga ny fotoana hanapahantsika hevitra hoe handroso amin'izay dia hihodina ho azy ny kodiarana ka handroso any amin'ny tsaratsara kokoa noho ny anio isika.


Hanapahana hevitra? Eny, isika dia tsy hoe "tsy mandroso" fa tsy vonona ny handroso. Izany hoe tsy natao na nomena ilay misy antsika amin'izay fa isika no nahatonga antsika toy izao. Aoka izay ny fanomezan-tsiny ny hafa fa isika no tsy nahalasa antsika amin'izay heverintsika ho tokony misy antsika ankehitriny. Noho izany dia isika no mila mandray andraikitra hanala antsika amin'ny tsy fandrosoana. Ao an-tsaina ny fototry ny zavatra rehetra. Rehefa ny sainao no mandroso na dia tsy manana vola sy fiara tsara tarehy aza ianao, dia ianao no atao hoe mandroso. Ianao no tompon'andraikitra amin'ny zavatra rehetra fa aza ankinina amin'ny hafa ny fandavorarina ny fiainanao. Tsy ny filoham-pirenena no hanome sakafo ho anao; tsy ny ray aman-dreninao no hiantoka ny zanakao; tsy ny vadinao no hiantoka ny fahasambaranao.... Raha misy olona tokony hoteranao hanatsara ny fiainanao dia ianao. Fandraisana andraikitra no fototra hoy aho; eny fandraisaina andraikitra manomboka amin'izay bitika indrindra toy ny fanariana ny fakonao amin'ny toerana tokony hisy azy sy fampirimana izay nakorontanao. Fandraisana andraikitra izay hitatra hatramin'ny fahaleovan-tenanao amin'ny lafiny rehetra ka hahatonga anao ho modely hitarika ny hafa handroso koa mba hampandroso ny firenena iray manontolo.
Ao an-tsaina, hoy aho, ny fahantrana ka raha ny sainao no vonona hioitra hiala amin'izany dia manana fahafahana malalaka handroso ianao.
Commentaires
Enregistrer un commentaire