Tsy ny anio no mamaritra ny ampitsonao
"Tsy ny anio no mamaritra ny ampitsonao"
Tsy vitsy isika no sahiran-tsaina mibanjina izay ho avintsika ary tsy tambo isaina ny kivy eny am-panidinana rehefa mandinika izay mety havoakan'ny ampitso. Toa zavona sy haizina no tazana rehefa mba manakatra izay mety ho ao ambadiky folo taona ho avy. Nahoana? Satria matetika dia tsy hitantsika izay lalan-kizorana. Tsy manana isika: tsy manana vola hampiasaina, tsy manana fahaizana be, tsy manana asa, eny mety tsy manana olona hiantorahana koa aza. Tadidio anefa fa tsy voatery hanana ny ampy ianao androany vao hanana ho avy mamiratra. Ny zavatra ilainao dia ny tenanao sy ny fahavononana hioitra izay tsara kokoa raha tohanan'ny herin'Andriamanitra. Tsy mora tsinona ny lalana diavina vao tonga amin'izay atao hoe fahombiazana izany ka tsara kokoa raha misy hery hafa iankinanao rehefa reraka eny am-pandehanana ianao.
Claudéa no anarako, ary Sedera no fiantson'ny fianakaviako ahy. Tsy manan-karena aho saingy manana ny ampy. Tsy tampom-pahaizana koa aho saingy mahavita tsara ny asako. Tsy olo-malaza na tsongoim-bolo eo amin'ny fiaraha-monina aho saingy fantatro fa efa mizotra mankany amin'izany atao hoe fahombiazana ny fiainako. Mpampianatra amina sekoly iraisam-pirenena anankiray aho. Miteny Malagasy aho ary miteny fitenim-paritra vitsivitsy ao anatin'izany. Miteny anglisy sy frantsay koa aho. Mbola mikasa ny hianatra teny espanola aho ato ho ato. 28 taona aho izao ary manam-bady sy zanaka iray.
Zanaka mpampianatra aho ary tany Ihosy no nahalehibe ahy satria any no miasa ny ray aman-dreniko. Betsaka angamba no mahalala izany atao hoe asana mpampianatra izany eto Madagasikara fa dia karama vary masaka tokoa. Azo lazaina hoe tena sahirana ny fianakaviana nipoirako. Tsy mbola nahazo akanjo krismasy izany aho tao amin'ny ray aman-dreniko. Tsy mba nahavidy sakafo matsiro izany izahay afa-tsy rehefa fety izay matetika ny akoho amam-borona ompiana ihany no vonoina. Tsy mba nandeha niala sasatra tany amoron-dranomasina toa ny ankizy rehetra izahay fahiny fa in-droa na in-telo isan-taona no mandeha mamangy any an-tanidrazan'ny ray aman-dreniko. Tsy mba nitaingina fiara izany izahay raha tsy nandeha niala sasatra ka aman-taona no isaina vao mba mitaingina an'izany. Akanjo tokana matetika no entina mianatra mandritra ny taona ary kapa "scoubidou" no entina mivoaka. Rehefa tapaka ny kapa dia tohizana amin'ny paingotra na amboarina amin'izay mampety azy. Ny hany fananako dia ny fahaizako. Nitàna ny laharana voalohany foana aho tamin'ny ankamaroan'ny kilasy nolalovako ka izany no hery nanosika ahy hino fa tsy olonolom-poana aho.
Raha izaho no anontaniana dia tsy dia tsara ny fanabeazana azoko saingy isaorako ny Tompo fa naha toy izao ahy izany. Nampidirina tao an-tsaiko fony fahakely fa tsy misy ilana azy aho, olona voahozona, ary olona tsy tiana na koa hoe nirina. Nilaza tamiko foana ny reniko fa nanenina izy nanana ahy ka ranomaso ny niainako nandritra ny taona maro satria tsy latsaky ny in'efatra isan-kerinandro aho no nilazana teny naharary ahy toy izany.
Fianarana sy fivavahana no namako akaiky indrindra fahakely na dia nanana namana vitsivitsy ihany aza aho. Namana izay matetika mitady tombony aty amiko dia tsy ny inona izany fa ny fanampiana azy ireo amin'ny fianarana. Tsy ho hadinoko anefa ilay namako izay fantatro fa tia ahy tamin'ny fahitsiana fony teny amin'ny lisea. Na dia sahirana aza izahay dia tsy mba nataon'ny ray aman-dreniko ambanin-javatra ny fianarana ka dia nalefan'izy ireo nianatra tamin'ny sekoly tsy miankina foana aho hatramin'ny kilasy faha roa ambin'ny folo.
Mafy ny ady tamin'ny fiainana tamin'ny mbola nianatra tany Ihosy satria raha ny ankizy mitsangantsangana rehefa alatsinainin'ny paska, izaho kosa mijinja vary na mamboly tsaramaso. Raha miala sasatra na miantsena krismasy ny zanaky ny sarambabem-bahoaka rehefa desambra, izaho kosa miavo-ketsa sy manetsa any ambanivohitra. Tongotra feno fotaka no entina any am-piangonana mamonjy sasakalin'ny krismasy. Rehefa ilay maka rivotra iny dia mitantara izay zavatra malaza any amin'ny fahitalavitra any ny mpiara-mianatra saingy izaho kosa tsy nahalala na dia sombiny tamin'ireny satria tsy mba nisy herinaratra ny tranonay. Jiro solitany fa tsy mba labozia akory no nianarako lesona nanomboka ny taona voalohany ka hatramin'ny taona faha roa ambin'ny folo. Na efa nianatra taty Antananarivo tamin'ny anjerimanontolo aza aho dia mbola niaina ny ampahany amin'ireo hatrany rehefa ary tsy nitsahatra raha tsy efa niasa taty aoriana.
Fa karazana ady hafa indray no natrehina rehefa nianatra taty Antananarivo. Amin'ny maha-avy any Ihosy ahy dia tena vahiny aho teto Antananarivo. Tsy dia nananosarotra ahy ny resaka toerana fa ny fiainana no nampanavao ahy. Tsy mifandray ny olona aty fa samy manana ny fiainany. Sarotra ny mahita namana ary na dia mora aza izany ho an'ny hafa, ny maha tambanivohitra anao dia efa mampitombo avy zato heny ny fahasarotana. Vitsy dia vitsy ny namako saingy fantatro fa tia ahy ireny. Na dia olona mahay aza aho dia tsy mora tamiko avokoa ny taranja rehetra tany am-pianarana. Tao amin'ny ENS aho no nianatra ary anglisy no sampana nisy ahy. Ny resaka fitsipika sy fomba fanoratra ary ny fahazoan-dahatsoratra no nanavanana ahy satria ireo ihany no azo ampiasana saina fa ny fahazaina miteny sy fahazoan-dresaka dia saika ho nahakivy ahy. Tsy mbola naheno teny Anglisy tamina vahiny aho talohan'ny nianarako tao ka tena sarotra tamiko ny nihaino sy nahazo izay lazaina. Niezaka aho ary tena niezaka saingy zara raha mba nahazo 14/20 rehefa natao ny fanadinana. Nanampy trotraka koa ny tsy fahaizana teny frantsay izay tena nilentika loatra tao anatiko. Tadidiko indray andro, tamin'ny taona 2012, dia nindrana kapila misy horonan-tsary tamin'ny mpiara-mianatra iray aho ary nomeny ny "case départ" fa tsy nisy azoko izay lazaina tao anatiny ka navelako ilay izy. Nangoniko ny vatsim-pianarako ary nividianako fahitalavitra kely azo entina mandeha izay mba hahafahako mijery zavatra amin'ny teny frantsay ka izay no mba nahaizako kely. Indrisy anefa fa very indray ilay izy rehefa nisy namaky ny tranoko teo Manarintsoa Antsinanana tamin'ny 2013. Miteny irery na miresaka amin'irony komoriana irony no mba nanombohako niteny frantsay ary efa taona fahefatra teny amin'ny anjerimanontolo aho tamin'izay. Na dia nahazo 19/20 tsinona aho tany amin'ny lisea dia tsy nisy fahaizana miteny mihitsy notsaraina tao anatin'izany.
Nandeha teny ny fotoana ary tsy maintsy sady niasa aho no nianatra satria tsy antoky ny ray aman-dreniko intsony ny fiainako aty Antananarivo sy izay rehetra mety ho fahasarotany. Tamin'ireny no tena nahitana Ilay Tanana Mahery nitondra nanketsy sy teroa ka nahatongavako amin'izay misy ahy ankehitriny. Nampianatra aho ary namako no nanome ahy io asa io. Taorian'io dia nandika teny aho ary namako ihany koa no nanome ahy ilay asa. Teny frantsay sy anglisy no nampiasaina tamin'izany ary tamin'izany no nahatsapako voalohany fa afaka manao zavatra aho. Afaka mahavita izay tsy vitan'ny hafa aho ary afaka manao mihoatra izay noheveriko ho azoko atao. Roa na telo taona talohan'io dia tsy nahay na ny iray tamin'ireo fiteny ireo aho saingy vitako tsara io asako io ary nanokatra varavarana betsaka tamiko. Nifandimby sy niaraka teny ny asa fandikan-teny sy fampianarana hatramin'ny fahavitan'ny fianarako ary volana vitsy taorian'ny fanohanana ampahibemaso ny voka-pikarohana nataoko dia nomema asa raikitra tao amin'ny sekoly niasako aho, tsy iza fa ilay sekoly iasako ankehitriny.
Niverina foana hoe "nomena" asa aho. Eny! Tena nomena. Vitsy ny fotoana nitadiavako asa noho ny fotoana nanomezana asa ahy. Tena marina ilay hoe "Jehovah hiady ho anareo fa hianareo kosa hangina". Hotantaraiko ny andinin'izany rehefa amin'ny lahatsoratro manaraka fa eto dia hofintiniko ny fahombiazako. Tsy mora ary nisy ady foana isaky ny nisy dingana saingy tsy irery aho tamin'irery. Teo foana i Kristy ka izany ho naharetako tao anatin'ireny fiaretana ireny. Mbola mitohy ny ady saingy tsy maintsy ho tafita satria raha tafita hatreto dia tsy maintsy mbola ho tafita hatrary.
Ny hafatro? Tsy hoe mahantra ianao anio dia tsy ho tafita ianao rahampitso. Ao an-tsaina ny fahantrana ka rehefa ny sainao no manaiky azy dia izay vao tena mahatra ianao. Fa raha ny sainao no mbola vonona hivoatra dia mbola manana fahafahana hiala amin'izany ianao.
30 Janoary 2020

Bravo Claudéa Sedera 😘😘 mirary soa hatrany !!!
RépondreSupprimerMisaotra tompoko! Mirary soa antsika rehetra :)
SupprimerMANKASITRAKA E
RépondreSupprimer