Didy Folon'ny Fampihenana Vatana
Ireo didy folon'ny fampihenana vatana
Tsy vitsy ny olona amin'izao andro no maniry hihena noho ny antony maro samihafa saingy noho izy io tsy mora dia tsy vitsy koa ny mihemotra eny an-dalana ka tsy tody mihitsy amin'izay tanjona irina. Izaho izay manoratra dia mbola eo am-periny mihitsy ary izany no nanosika ahy hanoratra ireto didy folon'ny fampihenana vatana ireto mba ho torolalana ho an'ireo izay maniry hanao izany. Very 14 kilao aho tao anatin'ny dimy volana ary ireto didy ireto no notandremako. Tadidio anefa fa tsy tokony hosarahina ireo amin'ny maha "didy 10" azy fa raha tanterakao ny sasany nefa ny sasany ataonao an-kilabao dia mety ho sarotra ho anao ny hihena.
1. Fantaro ny tenanao
Mialoha ny hanapahanao hevitra hampihena vatana dia mila fantatrao aloha ny tenanao. Makà fotoana fa zavatra tsy vita indray andro na iray volana izany ka mila mandany fotoana mihitsy ianao maminavina ny mety ho fiainanao izany ady sarotra izany. Apetraho amin'ny tenanao aloha ireto fanontaniana ireto.
a. Nahoana aho no te hihena?
Anjaranao no mamaritra ny antony hanaovanao izany ary diniho tsara raha tena mila manao izany tokoa ianao na tsia. Mety ho ny fahasalamanao no manery anao; mety mba te ho tsara bika koa ianao na mety te hiverina amin'ny lanjanao fahiny fotsiny. Io antony io no hamporisika anao hiezaka kokoa ka aza atao ambanin-javatra.
b. Nisy fotoana ve aho kely taloha? Inona no nahangeza ahy?
Raha eny ny valiny dia fantaro fa nisy zavatra nahangeza anao tao. Mety hoe niteraka ianao ka tsy maintsy nahazo lanja; tsy vitsy koa ny olona tsy salama ka tsy afaka nihetsika firy intsony. Ny fahazaranao koa dia mety ho nampitombo anao, ohatra hoe lasa nisakafo kokoa ianao raha mitaha amin'ny taloha na lasa tsy afaka nihetsika intsony noho ny asa.
d. Inona avy no mety hanakana ahy tsy hahatratra ny tanjoko?
Mety tsy mbola afaka manao fanatanjahantena ianao ka noho izany dia mety hiadana kokoa ny fihenanao mitaha amin'ny olona manao izany. Mety mbola mampinono koa ianao ka tsy afaka mihinana zavatra tsy mety amin'ny nono. Mety hoe tsy manam-potoana mihitsy koa ianao mba hihetsehana nefa ny asanao dia mpanao sakafo ka tsy tantinao ny tsy hitsaingoka kely isaky ny mihetsika. Anjaranao ny mijery izany rehetra izany mialoha mba hahafantaranao ny tokony hataonao.
e. Inona avy no fahazarana mila avelako raha te hihena aho?
Amin'ny lahatsoratra manaraka aho no hamelabelatra ireo karazan-tsakafo mety na tsy mety amin'ny fampihenam-batana miampy ireo "applications" izay mety hanampy anao amin'izany ary ireo karazana fanatanjahan-tena azo atao saingy tiako hosintonina ny sainao hibanjina sahady izay mety ho vokatry ny fampihenanao vatana amin'ny fiainanao andavanandro.
2. Mametraha tanjona mazava
Raha tsy manana tanjona ianao dia handeha an-jambany ka mety hijanona sy ho mora kivy rehefa mafy ny ady. Tokony hazava ny tanjona fa tsy hoe mihena fotsiny dia ampy. Tanjonao io ka aoka ianao no hametraka azy mba hampazoto anao. Milanjà amin'ny voalohany ary apetraho hoe firy no lanja tianao hotratrarina. Izaho ohatra dia niainga tamin'ny 86 kg tamin'ny Septambra ary 70 kg no tanjoko. Vao mainka tsara raha afaka mametraka fe-potoana hanatraranao izany ianao! Azonao ataoko koa ny mandrefy ny manodidina ny kibonao na ny maojanao ary dia io no ezahinao ahena. Nanampy ahy ny nanohatra akanjo tsy antonona ahy ary nataoko tanjona ny tsy maintsy tafiditra tao anatiny. Ny ahy ohatra izao dia efa antonona ahy ny akanjoko tamin'ny mbola tsy bevohoka ary ny akanjo tamin'ny fisoratam-panambadiako no tanjoko manaraka.
3. Fehezo ny tenanao
Rehefa fantatrao avokoa ny tokony hataonao dia mila mifehy tena ianao. Mila mantanjan-tsaina ny olona hampihena vatana fa tsy mora lavon'ny fakam-panahy ary tokony hahay mandositra itsy farany koa. Ianao no mila manao izay hevitra tsy hahalavo anao fa aza miandry ny zava-misy hety aminao. Ohatra: mila sahy manao hoe tsia ianao rehefa manasa anao hihinana zavatra mampatavy ny namanao ary mila mivily lalana ianao rehefa fantatrao fa tsy ho tantinao ny mahita karan-tsakafo amin'ny lalana io holalovanao io. Rehefa fantatrao koa ny antony nahangeza anao dia aza atao intsony izay fahazarana izany. Raha ny fitiavana mitsakotsako eny anelanelam-potoana no hitanao fa tsy nety dia ajanony izany. Tsy maintsy ho noana ianao rehefa manena ny sakafo haninao saingy tsy maintsy miaritra ianao fa izany no maha ady ny ady.
4. Ahetseho ny vatana
Hihena ianao rehefa betsaka kokoa noho ny kaloria miditra ao aminao ny laninao. Ny fanatanjahantena no hetsika handanianao kaloria be indrindra ka raha afaka manao izany ianao dia sady ho salama no hihena. Tsy voatery hiditra amin'ireny toerana fanaovana fanatanjahantena ireny anefa ianao fa na dia an-tongotra mafimafy sy/na elaela kokoa noho ny fanaonao andavanandro dia efa tena tsara.
5. Ahenao ny sakafo be kaloria ary misakafoana ara-pahasalamana
Fantaro ireo sakafo mahangeza sy betsaka kaloria ary ahenao araka izay azonao atao ireny. Mba hamenoanao ireny sady mba hahasalama anao anefa dia mila mihinana legioma sy voankazo ianao miampy ireo sakafo hafa ilain'ny vatana toy ny sakafo vita amin'ny ronono. Tadidio fa mila ahenanao ny kaloria miditra noho ny mivoaka raha te hihena ianao.
6. Aza mifaninana amin'ny hafa
Ny antony nametrahana ny didy voalohany dia mba hahatsapanao fa tsy misy olona mitovy aminao mihitsy: ny hangezanao, ny antony nahangeza anao sy anenanao vatana, ny tanjonao, ny fahazaranao sns dia anao irery ireny. Raha misotro ranon-javatra mampihena, ohatra, Rasoa dia tsy voatery hety amin'ny vavoninao sy ny nono hohanin-janakao izany. Raha nihena haingana Iketaka satria nanao fanatanjahantena nefa ianao tsy afaka manao izany dia tsy natao hahakivy izany. Misy olona tsy mihinana afa-tsy paoma ao anatin'ny herinandro nefa tsy vitanao izany; tsy misy olana mihitsy. Tsy mitovy ny fahafahana ary tsy mitovy koa ny toe-batan'ny olona. Ny olona 1,60 metatra toa ahy, ohatra, dia te ho 60 kg avokoa saingy izaho dia te ho 68-70 kg eo satria fantatro fa aretina sy haratsian-tarehy be no ho azoko amin'izany 60 kilao izany. Anao ny ady ka aoka tena ho anao izany!
7. Mifandraisa amin'ny olona manohana anao ary halaviro ny mpanakivy
"Aleo ihany ilay ngeza ka! Iny ianao mahafatifaty". "Dia mamono tena tsy misakafo ve ianao?". "Fa dia atakalonao hatsaram-bika va re ny zanakao?" Ireo karazana resaka ireo no tokony handosiranao ary fantaro hoe iza avy no mpanao an'ireny. Fadio ny miresaka momba ny fanenanao vatana amin'izy ireo.
"Efa hita hoe nihena ianao". "Tsara fa tohizo". "Efa mivoaka tsara kosa ilay bika!". "Vitanao io e; vitan'ny hafa ve tsy ho vitanao?" Ny olona mpanao an'ireny koa no tokony hiresahanao momba izay ezaka ataonao. Tohana ara-moraly no ilainao ao anaty ady fa tsy fanakiviana akory. Fantaro fa na matanjaka toy ny inona ianao dia misy fiantraikany foana aminao ny fiaraha-monina misy anao.
8. Misotroa rano betsaka
Ilain'ny vatanao izay matetika tsy ampy sakafo ny rano. Manampy ny fandevonan'ny vatanao ny sakafo koa izany. Raha tsy misotro rano ianao dia sarotra aminao ny hahazo fivalanana ary dia ho lasa any amin'ny vatanao avokoa ny sakafonao rehetra. Tsy vitan'izany fa manampy anao tsy dia ho noana ka hitady sakafo be loatra ny rano sotroinao. Tokony hihoatra ny 1,5 litatra isan'andro ny rano laninao ary vao mainka manafaingana ny fanenanao vatana raha rano mafana no sotroinao.
9. Tiavo ny tenanao
Ny fitiavanao ny tenanao no mahatonga anao hanao izay mety aminy. Rehefa fantatrao fa mila ity sakafo ity ianao dia hohaninao izany. Rehefa fantatrao kosa fa tsy mahasoa anao iny dia havelanao. Raha sanatria ka nihinankinam-poana ianao dia tsy hanasazy io tenanao io ianao ka tsy hisakafo ao anatin'ny telo andro maninjitra satria hahatonga tsy fahasalamana izany. Avereno foana hoe: "Tsara aho izao saingy vao mainka tsara raha mihena" dia hazoto hatrany ianao.
10. Mahereza mivavaka
Ny farany sady ngeza indrindra dia ny mivavaka. Tadidio fa ady ny fanenana vatana ary ezaka be vao vita izany indrindra raha somary maro ilay lanja tiana hoesorina. Ny vavaka no hanampy anao hitraka rehefa mafy ny ady. Misy fotoana tsy misy vokany mihitsy izay ataonao saingy tsy mahazo mihemotra ianao; indraindray ianao sendra an'izay olona mpanakiana ka te hijanona amin'ny ezaka ataonao izany. Na io fitaratra io aza dia lasa fahavalonao indraindray ka raha tsy manana ny Tompo hanome herin-tsaina sy herim-batana ianao dia ho mora kivy.

Wow! Nihena 14kg tao anatin'ny volana vitsy?! Raha mba izaho izany an...! 😋😁 Mankasitraka hatrany @ torohevitra akia!
RépondreSupprimerTsara foana ianao na amin'izay lanjanao amin'izao aza. Miezaka ny ho salama fotsiny dia efa mety!
Supprimer