My "30 Before 30"

Ireo zavatra 30 hataoko alohan'ny faha 30 taonako

Taona vitsy dia vitsy dia higadona ilay fotoana efa nandrasako ela, ilay taona heveriko ho ivon'ny fiainako sy ahatsapako ny fara tampon'ny herim-batan'ny olona. Tsy ho ela dia ho feno telopolo taona aho, saingy amin'ny maha reny sy mpiasa raikitra ahy dia mahatsapa fa tsy ampy ny fotoana nananako hanatanterahako ireo zavatra rehetra nonofinofisiko. Lesona nianarako tamin'izay namako fahiny izay anefa ny tsy manaiky raha tsy azo izay irina ka nataoko ny lisitra fa tsy maintsy vitako ireto zavatra ireto raha tahin'ny Tompo ka mahatratra ny faha telopolo taonako aho. 

1. Miverina mianatra

Tsy ampy hoentiko amin'ny fiainako sy amin'ny asako ny fahaizako sy ny diplaomako saingy tsy maintsy nijanona nianatra aho noho ny antony manokana. Ankehitriny dia maniry mafy ny hiverina hanohy fianarana aho.

2. Manao fanatanjahan-tena ara-potoana ohatra hoe in-droa isan-kerinandro

Fantatro fa mila manao fanatanjahan-tena foana aho raha te ho salama sy tsara bika. 

3. Miteraka

Raha sitrapon'ny Tompo ka salama tsara dia tokony hanana zanaka faharoa amin'izany fotoana izany. 


4. Mitsidika an'i Toliary

Nofiko hatry ny ela ny mba hahita an'izany toerana izany saingy tsy mbola nanana fahafahana tamin'izany hatreto. Fahiny dia ny vola no nitana fa ankehitriny kosa noho ny fanenjehena fotoana dia tsy tody any foana rehefa miala sasatra. Tsy maintsy tongako anefa any!


5. Manana "routines" arahina isanandro

Mba maniry hanana routines arahina isanandro toy ny olona mandroso rehetra aho satria mbola misy miova kely foana ny ahy noho ny tsy fahavarako manaraka azy. 


6. Manatitra ny zanako mianatra

Efa tokony halefa mianatra kosa izy amin'izay e! Hitako ery ny hasambarako manatitra sy mitsena azy eny am-bavahadin'ny sekoliny. 


7. Mifety miaraka amin'ny namako tsy misy vady aman-janaka

Fety misy hira sy mozika azo andihizana no ilaiko ary arahina masikita sy sambôsy ary resaka tsy mety tapitra. Tsara be!


8. Manatsara ny fampianarako any am-piangonana

Mbola tsapako hoe misy zavatra tsy ampy betsaka any amin'ny fampianarako indrindra ny ara-pitaovana ka iriko raha mba voalamiko tsara. Safidiko ary tsy maintsy raisiko ny andraikitro!


9. Manapaka volo

Mba te hanana volo fohifohy kokoa noho ny voloko ankehitriny fa mbola tsy tapaka ny hevitro hoe hataoko ahoana aloha ny endriny. 


10. Manana ny tranoko

Hiezaka sy hivavaka aho mba hanana ny tranoko manokana alohan'ny faha 30 taonako satria tsy tiako ny mihevitra fa tsy manana zavatra mitsangana mihitsy aho.


11. Manao tarehy amin'ireo toerana fikarakarana vatana

Na dia tsy fanaoko aza izany dia mba handramako na dia indray mandeha fotsiny.


12. Manoratra momba ny fivavahana

Tiako ny manoratra ka iriko raha mba misy resaka finoana izany na dia tsy izy rehetra aza. 


13. Mahay mitondra fiara

Ilaiko izany fahaizana mitondra fiara izany mba tsy hanadalako ny olona hanatitra ahy foana any amin'izay tiako haleha.


14. Mitety toeram-pisakafoana mihinana ireo sakafo tiako indrindra

Taorian'ny fanenana vatana izay nifadiana sakafo isankarazany dia tsy miala ao an-tsaiko mihitsy ny lisitr'ireo sakafo tiako indrindra. Tsy maintsy hitetezako toezam-pisakafoana maromaro ihany izy ireo!


15. Mianatra manao mofomamy

Na dia tsy dia tiako aza ny mofomamy dia mino aho fa hilain'ny zanako ny fahaizako izany.


16. Milanja latsaky ny 70kg

Tsy maintsy hisy fotoana aho hihoatra an'io saingy alohan'ny faha-30 taonako aho dia tsy maintsy mahita isa latsak'io eo amin'ny mizana. 


17. Miala sasatra any Andasibe

Efa nofy hatrizay ity saingy noho ny faneren'ny fiainana dia tsy mbola tanteraka. Tsy kivy anefa fa fotoana sisa andrasana dia ho avy ny fotoana hihaonako amin'ireo gidron'ny valan-javaboahary Mantadia sy Andasibe.


18. Mandeha any Mantasoa

Faniriako loatra ny hitaingina ireo lakana mandeha milina entina eny ambony ranomamy hitako amin'ny sarin'ny olona mankany. Tsy maintsy ho vitako izany ary hataoko miaraka amin'ireo olona tiako indrindra eto an-tany.


19. Mahazo "certificat" farafahakeliny roa momba ny asako

Tsy maintsy hanao fiofanana na mihaona na avy lavitra aho ary tsy maintsy mahazo taratasy fanamarinam-pahavitana aho!


20. Mirevy miaraka amin'ny "brochette" sy divay miaraka amin'ny olon-tiako

Mba hamerina ireo fahininay fotsiny no tanjona!


21. Miantsena amin'ny iray amin'ireo magazay mpivarotra akanjo tsara indrindra eto Madagasikara

Na dia efa somary leo ny fijerin'ny mpivarotra avy eny an-tampon-doha ka hatrany am-paladia miampy avonavona isaky ny miditra magazay mihaja aza aho dia mbola hataoko izany ary hampisehoako azy ireny fa tsy voatery hanova endrika ho malama volo sy hampijaly teny amin'ny kiraro avo aho vao hatao hoe manana ny ampy. 


23. Manjifa ny vita Malagasy amin'ny 50% farafahakeliny

Nahatonga saina ahy ilay zavatra novakiko omaly hoe noho isika malagasy mizara ny volantsika amin'ny vahiny no mampahantra antsika, koa iriko raha mpanjika ny vita malagasy mahafatra-po aho na dia iaraha-mahalala azy fa tsy ary ho vokatra eto avokoa ny zavatra ilaiko rehetra. 


24. Mandoko volo

Mila manandrana kely an'ity mihitsy aho saingy mbola hodinihina manokana miaraka amin-dramose ny andinindininy. 


25. Mahay mifehy ny fahasorenako mba tsy hihatra amin'ny hafa

Mba tsy hanao teny tsy voahevitra sy ho kizitina intsony anie i Sedera amin'izay rehefa sorena! Amen!


26. Manatsara ny fiainam-bavako

Aleo iny ho ahy sy Andriamanitra!


27. Miverina any Ranomafana

Na dia ho an'ny vadiko fotsiny aza dia hataoko izany. Tsy mba afaka nankafy tsinona izy fony izahay tany fa nitaiza zazakely. 


28. Mamangy any an-tanindrazana

Nony nanambady dia lasa Ihosy sy Ranohira sisa no mba fitsidikay ka rariny raha mba hiverina kely any amin'ny tany nipoirana. 


29. Manao ireo fomba fitafin-dehilahy izay tena tiako fahiny

Mba maka sary kely amin'ireo kilaoty lava sy malalaka ary T-shirt ngeza ireny aho. Tsy ho hadino koa ny manao kasikety sy kiraro iva. Dia mba hiverina "ghetto" kely ary raha asiana andinina "rap" kely dia tena ho feno tsara!


30. Manana fiara

Ny Tompo no angatahana mafy dia miasa sy mihafy!

Commentaires

  1. Tiako ho hita ilay faha 29. 😄 Misaotra fa misy halaina tahaka na dia tsy ho vita alohan'ny faha 30 taona aza e!

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Efa nisy fotoana aho nanao an'io tamina carnaval iray. Tsy misy mahalala ahy ny olona rehefa asehoko ilay sary :)

      Supprimer

Enregistrer un commentaire

Posts les plus consultés de ce blog

Honoring the Departed: Betsileo Funeral Practices and the Heart of Fihavanana

Didy Folon'ny Fampihenana Vatana

Ireo zavatra 3 tsy tiako indrindra amin'ny asako