Te hihena ianao? Ny tokony hatao sy tsy hatao!
Ireo tokony hatao sy tsy tokony hatao raha te hihena
Taorian'ny nampihena ahy 14 kilao dia nisy ireto zavatra ireto fantatro fa mety na tsia amin'ny olona manena vatana. Koa satria tsy mitovy ny toe-batan'ny olona ka mety tsy hety amin'ny olona iray ny mety amin'ny hafa, dia tsy tamiko irery ireto fomba ireto no nahomby fa efa maro no nanao azy ireo izay vao nozaraiko teto.
1. Ahenao ny sakafo
Fantaro izay sakafo tena ilainao dia izay ihany no hano. Raha nihinana vary iray vilia sy laoka betsaka ianao taloha dia ovay vary sy laoka kely izany amin'izao. Mba tsy hahareraka loatra anao dia azonao atao tsara ny manolo ireo sakafo haninao ho sakafo ara-pahasalamana kokoa ka sady mihasalama ianao no mihena ihany koa satria mihena ny kaloria miditra ao aminao. Raha olon-dehibe tsy manao fanatanjahan-tena no tsy te hihena na tsy hitombo dia eo amin'ny 1. 800. 000 kaloria eo ho eo no ilaina. Raha te hihena, araka izany, ianao dia tokony ho latsak'izany no laninao, raha tsy hoe manao fanatanjahantena angaha.
Dia tsy ho noana ve? Eny, ho noana tokoa ianao noho ny olona misakafo be saingy misy zavatra azo atao foana hanadinoana sakafo. Afaka miasa mafy ianao na manalavitra sakafo na manao zavatra tianao fatratra. Rehefa tena tsy tanty dia voankazo tsy dia betsaka siramamy toy ny paoma no hanina.
2. Aza tia tsakotsako
Tsy mety ny mitsakotsako eny anelanelam-potoana satria lasa ireny sakafo ireny no ampiasain'ny vatana fa tsy ilay sakafo maraina sy atoandro. Ireny ody am-bavafo ireny koa dia matetika sakafo betsaka kaloria toy ny mofo, paty, sakafo vita amin'ny ovy toy ny chips, sns ka mazava ho azy fa tena mora mahangeza.
3. Misotroa rano (mafana) betsaka
Tsy maintsy misotro rano betsaka ianao mba hanamora ny fandevonan'ny vatanao ireo sakafo efa kely haninao sady mba tsy hahanoana anao loatra. Tsy tokony ho latsaky ny 1,5 litatra ny rano laninao isanandro saingy mety hitombo izany miankina amin'ny fihetsehan'ny vatanao. Raha manana olana amin'ny voa anefa dia tsara kokoa ny manatona mpitsabo vao misotro rano betsaka. Ny rano mafana dia mandoro ny tavy ka tsara kokoa raha mafana no sotroinao satria hanafaingana ny fihenanao izany.
4. Mazotoa mihetsiketsika
Tsy mahazo malaina mihetsika raha te hihena. Izany olona mipetraka eo am-pandriana fotsiny mandritra ny fotoana maro izany dia ho saro-pihena. Tadidio fa ny fampitomboana ny kaloria lany mihoatra amin'ny kaloria miditra no mampihena.
5. Mizàra misotro ireny "detox" ireny
Ny detox (izay horesahina bebe kokoa amin'ny lahatsoratra manaraka ny fanamboarana azy) dia ranon-javatra (voankazo sy/na legioma metetika) natao hitroka ny tavy any anatin'ny vatan'ny olombelona. Misy amin'izy ireny no mora atao sady tsy lafo vidy akory ka tsara raha mizatra misotro azy ireny mba hampihena haingana ny vatana sady hanalàna ny tavy any anaty. Tsy ny "detox" rehetra anefa no mety amin'ny olona rehetra satria misy amin'izy ireny no tsy mety amin'ny mampinono ary misy koa ny mankarary vavony na mitroka kalsioma ho an'ny sasany.
6. Manaova fanatanjahantena
Tena ilaina ny manao fanatanjahantena satria sady manampy anao handoro kaloria izany no manampy ny vatanao tsy hiroraka sy halemilemy rehefa mihena ianao. Tadidio fa hoditra efa ngeza ny hoditrao ka mila averina ho mafimafy kokoa izany rehefa mihena ianao. Manampy anao ho tsara bika koa ny fanatanjahantena, raha tsy horesahina intsony ny voka-tsoany amin'ny fahasalamana.
7. Manàna an'ireny "applications" manampy amin'ny fanenana vatana ireny
Manampy anao hitantana ny fomba fiainanao ny fanananao irey "applications" ireny ao anaty findainao. Misy fampahatsiahivana ireny ka raha mila manao fanatanjahantena ianao na mila mitandrina amin'ny sakafo dia ilay "application" no mampahatsiahy anao.
8. Mifandraisa amin'ny olona mitovy tanjona aminao
Rehefa manena vatana dia tsara ny mifandray amin'olona toa anao satria ao anatin'izany no ifampizarana traikefa sy ifampaherezana. Azonao atao ohatra ny miditra ao anatin'ireny vondrona amin'ny "facebook" ireny ary manaraka izay torohevitra ifampizarana azo ary mametraka fanontaniana momba izay mampiahiahy anao.
9. Fadio ny matory raha vao avy nisakafo
Manasarotra ny fandevonan-kanina ny fatoriana avy hatrany aorian'ny sakafo ka tsara raha mihetsiketsika aloha vao matory. Mba hialana amin'ny mety tsy ho fahazakana izany dia tsara raha atao alohaloha kokoa noho ny mahazatra ny sakafo hariva ka azo tazomina amin'ny ora mahazatra ihany ny fotoana fatoriana.
10. Aza miferin'aina
Aza heverina ho sazy ho anao ny fanenanao vatana. Tanjonao io ka aoka mba hankafizinao ny fandalovanao ny ady rehetra. Raha heverinao ho fampijalian-tena tsinona ilay izy dia mety hisy fotoana ianao ho leo ka hamela ireo fahazarana tsara efa mba natombokao. Roa ny voka-dratsin'izany: very ny fahazotoana ary sarotra ny hiverenana indray; mety vao mainka hampitombo bebe kokoa ny vatanao koa izany satria hanonitra ny fihafiana rehetra vitanao ianao. Ataovy an-tsaina foana hoe raha mandresy amin'io ianao dia marika fa olona afaka ny hanatratra tanjona tsara ianao izay amin'ny fiainana.
Alao hery, ary, fa tsy misy tsy vita rehefa atao!
Mankasitraka @ torohevitra ô! 😊
RépondreSupprimerTsy misy fisaorana ô!
Supprimer